Revelation of John 8

Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
羔羊揭开第七印的时候,天上寂静约有二刻。
Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
我看见那站在 神面前的七位天使,有七枝号赐给他们。
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.
另有一位天使,拿著金香炉来,站在祭坛旁边。有许多香赐给他,要和众圣徒的祈祷一同献在宝座前的金坛上。
Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
那香的烟和众圣徒的祈祷从天使的手中一同升到 神面前。
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
天使拿著香炉,盛满了坛上的火,倒在地上;随有雷轰、大声、闪电、地震。
Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
拿著七枝号的七位天使就预备要吹。
Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
第一位天使吹号,就有雹子与火搀著血丢在地上;地的三分之一和树的三分之一被烧了,一切的青草也被烧了。
Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina;
第二位天使吹号,就有彷彿火烧著的大山扔在海中;海的三分之一变成血,
ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
海中的活物死了三分之一,船只也坏了三分之一。
Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany;
第三位天使吹号,就有烧著的大星,好像火把从天上落下来,落在江河的三分之一和众水的泉源上。
ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
这星名叫茵蔯。众水的三分之一变为茵蔯;因水变苦,就死了许多人。
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
第四位天使吹号,日头的三分之一,月亮的三分之一、星辰的三分之一都被击打,以致日月星的三分之一黑暗了,白昼的三分之一没有光,黑夜也是这样。
Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
我又看见一个鹰飞在空中,并听见牠大声说:三位天使要吹那其余的号。你们住在地上的民,祸哉!祸哉!祸哉!