Revelation of John 18

Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.
此后,我看见另有一位有大权柄的天使从天降下,地就因他的荣耀发光。
Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
他大声喊著说:巴比伦大城倾倒了!倾倒了!成了鬼魔的住处和各样污秽之灵的巢穴(或作:牢狱;下同),并各样污秽可憎之雀鸟的巢穴。
Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
因为列国都被她邪淫大怒的酒倾倒了。地上的君王与她行淫;地上的客商因她奢华太过就发了财。
Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
我又听见从天上有声音说:我的民哪,你们要从那城出来,免得与她一同有罪,受她所受的灾殃;
Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
因她的罪恶滔天;她的不义 神已经想起来了。
Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.
她怎样待人,也要怎样待她,按她所行的加倍的报应她;用她调酒的杯加倍的调给她喝。
Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
她怎样荣耀自己,怎样奢华,也当叫她照样痛苦悲哀,因她心里说:我坐了皇后的位,并不是寡妇,决不至于悲哀。
koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
所以在一天之内,她的灾殃要一齐来到,就是死亡、悲哀、饥荒。她又要被火烧尽了,因为审判她的主 神大有能力。
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
地上的君王,素来与她行淫、一同奢华的,看见烧她的烟,就必为她哭泣哀号。
eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao.
因怕她的痛苦,就远远的站著说:哀哉!哀哉!巴比伦大城,坚固的城啊,一时之间你的刑罚就来到了。
Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany:
地上的客商也都为他哭泣悲哀,因为没有人再买他们的货物了;
dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,
这货物就是金、银、宝石、珍珠、细麻布、紫色料、绸子、朱红色料、各样香木、各样象牙的器皿、各样极宝贵的木头,和铜、铁、汉白玉的器皿,
sy havozomamy sy zavatra mani-pofona sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona.
并肉桂、豆蔻、香料、香膏、乳香、酒、油、细面、麦子、牛、羊、车、马,和奴仆、人口。
Ary ny vokatra soa nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo.
巴比伦哪,你所贪爱的果子离开了你;你一切的珍馐美味,和华美的物件也从你中间毁灭,决不能再见了。
Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona
贩卖这些货物、借著她发了财的客商,因怕她的痛苦,就远远的站著哭泣悲哀,说:
ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila!
哀哉!哀哉!这大城啊,素常穿著细麻、紫色、朱红色的衣服,又用金子、宝石,和珍珠为妆饰。
Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
一时之间,这么大的富厚就归于无有了。凡船主和坐船往各处去的,并众水手,连所有靠海为业的,都远远的站著,
ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
看见烧她的烟,就喊著说:有何城能比这大城呢?
Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
他们又把尘土撒在头上,哭泣悲哀,喊著说:哀哉!哀哉!这大城啊。凡有船在海中的,都因他的珍宝成了富足!他在一时之间就成了荒场!
Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.
天哪,众圣徒、众使徒、众先知啊,你们都要因她欢喜,因为 神已经在她身上伸了你们的冤。
Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
有一位大力的天使举起一块石头,好像大磨石,扔在海里,说:巴比伦大城也必这样猛力的被扔下去,决不能再见了。
Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
弹琴、作乐、吹笛、吹号的声音,在你中间决不能再听见;各行手艺人在你中间决不能再遇见;推磨的声音在你中间决不能再听见;
ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
灯光在你中间决不能再照耀;新郎和新妇的声音,在你中间决不能再听见。你的客商原来是地上的尊贵人;万国也被你的邪术迷惑了。
Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.
先知和圣徒,并地上一切被杀之人的血,都在这城里看见了。