Revelation of John 15

Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
我又看见在天上有异象,大而且奇,就是七位天使掌管末了的七灾,因为 神的大怒在这七灾中发尽了。
Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra.
我看见彷彿有玻璃海,其中有火搀杂。又看见那些胜了兽和兽的像并牠名字数目的人,都站在玻璃海上,拿著 神的琴,
Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
唱 神仆人摩西的歌,和羔羊的歌,说:主 神─全能者啊,你的作为大哉!奇哉!万世(或作:国)之王啊,你的道途义哉!诚哉!
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
主啊,谁敢不敬畏你,不将荣耀归与你的名呢?因为独有你是圣的。万民都要来在你面前敬拜,因你公义的作为已经显出来了。
Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra;
此后,我看见在天上那存法柜的殿开了。
ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.
那掌管七灾的七位天使从殿中出来,穿著洁白光明的细麻衣(细麻衣;有古卷是宝石),胸间束著金带。
Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.
四活物中有一个把盛满了活到永永远远之 神大怒的七个金碗给了那七位天使。
Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
因 神的荣耀和能力,殿中充满了烟。于是没有人能以进殿,直等到那七位天使所降的七灾完毕了。