Revelation of John 1

Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
耶稣基督的启示,就是 神赐给他,叫他将必要快成的事指示他的众仆人。他就差遣使者晓谕他的仆人约翰。
Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
约翰便将 神的道和耶稣基督的见证,凡自己所看见的都证明出来。
Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
念这书上预言的和那些听见又遵守其中所记载的,都是有福的,因为日期近了。
Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany;
约翰写信给亚细亚的七个教会。但愿从那昔在、今在、以后永在的 神,和他宝座前的七灵,
ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny,
并那诚实作见证的、从死里首先复活、为世上君王元首的耶稣基督,有恩惠、平安归与你们!他爱我们,用自己的血使我们脱离(有古卷作:洗去)罪恶,
sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
又使我们成为国民,作他父 神的祭司。但愿荣耀、权能归给他,直到永永远远。阿们!
Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
看哪,他驾云降临!众目要看见他,连刺他的人也要看见他;地上的万族都要因他哀哭。这话是真实的。阿们!
Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
主 神说:我是阿拉法,我是俄梅戛,(阿拉法,俄梅戛:是希腊字母首末二字),是昔在、今在、以后永在的全能者。
Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
我─约翰就是你们的弟兄,和你们在耶稣的患难、国度、忍耐里一同有分,为 神的道,并为给耶稣作的见证,曾在那名叫拔摩的海岛上。
Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,
当主日,我被圣灵感动,听见在我后面有大声音如吹号,说:
nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
你所看见的当写在书上,达与以弗所、士每拿、别迦摩、推雅推喇、撒狄、非拉铁非、老底嘉、那七个教会。
Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
我转过身来,要看是谁发声与我说话;既转过来,就看见七个金灯台。
ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.
灯台中间有一位好像人子,身穿长衣,直垂到脚,胸间束著金带。
Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
他的头与发皆白,如白羊毛,如雪;眼目如同火焰;
ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
脚好像在炉中煆炼光明的铜;声音如同众水的声音。
Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
他右手拿著七星,从他口中出来一把两刃的利剑;面貌如同烈日放光。
Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
我一看见,就仆倒在他脚前,像死了一样。他用右手按著我,说:不要惧怕!我是首先的,我是末后的,
dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.
又是那存活的;我曾死过,现在又活了,直活到永永远远;并且拿著死亡和阴间的钥匙。
Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
所以你要把所看见的,和现在的事,并将来必成的事,都写出来。
dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.
论到你所看见、在我右手中的七星和七个金灯台的奥祕,那七星就是七个教会的使者,七灯台就是七个教会。