Psalms 95

Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
来啊,我们要向耶和华歌唱,向拯救我们的磐石欢呼!
Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
我们要来感谢他,用诗歌向他欢呼!
Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
因耶和华为大 神,为大王,超乎万神之上。
Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
地的深处在他手中;山的高峰也属他。
Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
海洋属他,是他造的;旱地也是他手造成的。
Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;
来啊,我们要屈身敬拜,在造我们的耶和华面前跪下。
Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
因为他是我们的 神;我们是他草场的羊,是他手下的民。惟愿你们今天听他的话:
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
你们不可硬著心,像当日在米利巴,就是在旷野的玛撒。
Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
那时,你们的祖宗试我探我,并且观看我的作为。
Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
四十年之久,我厌烦那世代,说:这是心里迷糊的百姓,竟不晓得我的作为!
Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
所以,我在怒中起誓,说:他们断不可进入我的安息!