Psalms 94

Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
耶和华啊,你是伸冤的 神;伸冤的 神啊,求你发出光来!
Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
审判世界的主啊,求你挺身而立,使骄傲人受应得的报应!
Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
耶和华啊,恶人夸胜要到几时呢?要到几时呢?
Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
他们絮絮叨叨说傲慢的话;一切作孽的人都自己夸张。
Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
耶和华啊,他们强压你的百姓,苦害你的产业。
Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
他们杀死寡妇和寄居的,又杀害孤儿。
Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
他们说:耶和华必不看见;雅各的 神必不思念。
Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
你们民间的畜类人当思想;你们愚顽人到几时才有智慧呢?
Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?
造耳朵的,难道自己不听见吗?造眼睛的,难道自己不看见吗?
Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
管教列邦的,就是叫人得知识的,难道自己不惩治人吗?
Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
耶和华知道人的意念是虚妄的。
Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,
耶和华啊,你所管教、用律法所教训的人是有福的!
Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
你使他在遭难的日子得享平安;惟有恶人陷在所挖的坑中。
Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
因为耶和华必不丢弃他的百姓,也不离弃他的产业。
Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
审判要转向公义;心里正直的,必都随从。
Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
谁肯为我起来攻击作恶的?谁肯为我站起抵挡作孽的?
Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.
若不是耶和华帮助我,我就住在寂静之中了。
Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
我正说我失了脚,耶和华啊,那时你的慈爱扶助我。
Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
我心里多忧多疑,你安慰我,就使我欢乐。
Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?
那借著律例架弄残害、在位上行奸恶的,岂能与你相交吗?
Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
他们大家聚集攻击义人,将无辜的人定为死罪。
Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
但耶和华向来作了我的高台;我的 神作了我投靠的磐石。
Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
他叫他们的罪孽归到他们身上。他们正在行恶之中,他要剪除他们;耶和华─我们的 神要把他们剪除。