Psalms 90

Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
(神人摩西的祈祷)主啊,你世世代代作我们的居所。
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
诸山未曾生出,地与世界你未曾造成,从亘古到永远,你是 神。
Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.
你使人归于尘土,说:你们世人要归回。
Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
在你看来,千年如已过的昨日,又如夜间的一更。
Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
你叫他们如水冲去;他们如睡一觉。早晨,他们如生长的草,
Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.
早晨发芽生长,晚上割下枯干。
Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
我们因你的怒气而消灭,因你的忿怒而惊惶。
Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
你将我们的罪孽摆在你面前,将我们的隐恶摆在你面光之中。
Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
我们经过的日子都在你震怒之下;我们度尽的年岁好像一声叹息。
Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
我们一生的年日是七十岁,若是强壮可到八十岁;但其中所矜夸的不过是劳苦愁烦,转眼成空,我们便如飞而去。
Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
谁晓得你怒气的权势?谁按著你该受的敬畏晓得你的忿怒呢?
Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
求你指教我们怎样数算自己的日子,好叫我们得著智慧的心。
Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
耶和华啊,我们要等到几时呢?求你转回,为你的仆人后悔。
Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.
求你使我们早早饱得你的慈爱,好叫我们一生一世欢呼喜乐。
Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
求你照著你使我们受苦的日子,和我们遭难的年岁,叫我们喜乐。
Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.
愿你的作为向你仆人显现;愿你的荣耀向他们子孙显明。
Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
愿主我们 神─的荣美归于我们身上。愿你坚立我们手所做的工;我们手所做的工,愿你坚立。