Psalms 89

Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.
(以斯拉人以探的训诲诗。)我要歌唱耶和华的慈爱,直到永远;我要用口将你的信实传与万代。
Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
因我曾说:你的慈悲必建立到永远;你的信实必坚立在天上。
Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
我与我所拣选的人立了约,向我的仆人大卫起了誓:
Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
我要建立你的后裔,直到永远;要建立你的宝座,直到万代。(细拉)
Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
耶和华啊,诸天要称讚你的奇事;在圣者的会中,要称讚你的信实。
Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
在天空谁能比耶和华呢? 神的众子中,谁能像耶和华呢?
Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
他在圣者的会中,是大有威严的 神,比一切在他四围的更可畏惧。
Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
耶和华─万军之 神啊,哪一个大能者像你耶和华?你的信实是在你的四围。
Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
你管辖海的狂傲;波浪翻腾,你就使它平静了。
Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
你打碎了拉哈伯,似乎是已杀的人;你用有能的膀臂打散了你的仇敌。
Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
天属你,地也属你;世界和其中所充满的都为你所建立。
Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
南北为你所创造;他泊和黑门都因你的名欢呼。
Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
你有大能的膀臂;你的手有力,你的右手也高举。
Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
公义和公平是你宝座的根基;慈爱和诚实行在你前面。
Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
知道向你欢呼的,那民是有福的!耶和华啊,他们在你脸上的光里行走。
Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
他们因你的名终日欢乐,因你的公义得以高举。
Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
你是他们力量的荣耀;因为你喜悦我们,我们的角必被高举。
Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
我们的盾牌属耶和华;我们的王属以色列的圣者。
Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.
当时,你在异象中晓谕你的圣民,说:我已把救助之力加在那有能者的身上;我高举那从民中所拣选的。
Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
我寻得我的仆人大卫,用我的圣膏膏他。
Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
我的手必使他坚立;我的膀臂也必坚固他。
Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
仇敌必不勒索他;凶恶之子也不苦害他。
Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
我要在他面前打碎他的敌人,击杀那恨他的人。
Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
只是我的信实和我的慈爱要与他同在;因我的名,他的角必被高举。
Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
我要使他的左手伸到海上,右手伸到河上。
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
他要称呼我说:你是我的父,是我的 神,是拯救我的磐石。
Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
我也要立他为长子,为世上最高的君王。
Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
我要为他存留我的慈爱,直到永远;我与他立的约必要坚定。
Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
我也要使他的后裔存到永远,使他的宝座如天之久。
Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
倘若他的子孙离弃我的律法,不照我的典章行,
Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
背弃我的律例,不遵守我的诫命,
Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
我就要用杖责罚他们的过犯,用鞭责罚他们的罪孽。
Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
只是我必不将我的慈爱全然收回,也必不叫我的信实废弃。
Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
我必不背弃我的约,也不改变我口中所出的。
Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
我一次指著自己的圣洁起誓:我决不向大卫说谎!
Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
他的后裔要存到永远;他的宝座在我面前如日之恒一般,
Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.
又如月亮永远坚立,如天上确实的见证。(细拉)
Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
但你恼怒你的受膏者,就丢掉弃绝他。
Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
你厌恶了与仆人所立的约,将他的冠冕践踏于地。
Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
你拆毁了他一切的篱笆,使他的保障变为荒场。
Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
凡过路的人都抢夺他;他成为邻邦的羞辱。
Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
你高举了他敌人的右手;你叫他一切的仇敌欢喜。
Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.
你叫他的刀剑捲刃,叫他在争战之中站立不住。
Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
你使他的光辉止息,将他的宝座推倒于地。
Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
你减少他青年的日子,又使他蒙羞。(细拉)
Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
耶和华啊,这要到几时呢?你要将自己隐藏到永远吗?你的忿怒如火焚烧要到几时呢?
Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
求你想念我的时候是何等的短少;你创造世人,要使他们归何等的虚空呢?
Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita?
谁能常活免死、救他的灵魂脱离阴间的权柄呢?(细拉)
Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
主啊,你从前凭你的信实向大卫立誓要施行的慈爱在哪里呢?
Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra,
主啊,求你记念仆人们所受的羞辱,记念我怎样将一切强盛民的羞辱存在我怀里。
Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.
耶和华啊,你的仇敌用这羞辱羞辱了你的仆人,羞辱了你受膏者的脚踪。
Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
耶和华是应当称颂的,直到永远。阿们!阿们!