Psalms 85

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.
(可拉后裔的诗,交与伶长。)耶和华啊,你已经向你的地施恩,救回被掳的雅各。
Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
你赦免了你百姓的罪孽,遮盖了他们一切的过犯。(细拉)
Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
你收转了所发的忿怒和你猛烈的怒气。
Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
拯救我们的 神啊,求你使我们回转,叫你的恼恨向我们止息。
Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
你要向我们发怒到永远吗?你要将你的怒气延留到万代吗?
Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
你不再将我们救活,使你的百姓靠你欢喜吗?
Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
耶和华啊,求你使我们得见你的慈爱,又将你的救恩赐给我们。
Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
我要听 神─耶和华所说的话;因为他必应许将平安赐给他的百姓─他的圣民;他们却不可再转去妄行。
Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.
他的救恩诚然与敬畏他的人相近,叫荣耀住在我们的地上。
Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
慈爱和诚实彼此相遇;公义和平安彼此相亲。
Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
诚实从地而生;公义从天而现。
Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.
耶和华必将好处赐给我们;我们的地也要多出土产。
Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
公义要行在他面前,叫他的脚踪成为可走的路。