Psalms 84

Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
(可拉后裔的诗,交与伶长。用迦特乐器。)万军之耶和华啊,你的居所何等可爱!
Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.
我羨慕渴想耶和华的院宇;我的心肠,我的肉体向永生 神呼籲(或译:欢呼)。
Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
万军之耶和华─我的王,我的 神啊,在你祭坛那里,麻雀为自己找著房屋,燕子为自己找著菢雏之窝。
Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
如此住在你殿中的便为有福!他们仍要讚美你。(细拉)
Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
靠你有力量、心中想往锡安大道的,这人便为有福!
Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
他们经过流泪谷,叫这谷变为泉源之地;并有秋雨之福盖满了全谷。
Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
他们行走,力上加力,各人到锡安朝见 神。
Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.
耶和华─万军之 神啊,求你听我的祷告!雅各的 神啊,求你留心听!(细拉)
Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.
 神啊,你是我们的盾牌;求你垂顾观看你受膏者的面!
Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.
在你的院宇住一日,胜似在别处住千日;宁可在我 神殿中看门,不愿住在恶人的帐棚里。
Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.
因为耶和华─ 神是日头,是盾牌,要赐下恩惠和荣耀。他未尝留下一样好处不给那些行动正直的人。
Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
万军之耶和华啊,倚靠你的人便为有福!