Psalms 83

Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
(亚萨的诗歌。) 神啊,求你不要静默! 神啊,求你不要闭口,也不要不作声!
Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
因为你的仇敌喧嚷,恨你的抬起头来。
Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
他们同谋奸诈要害你的百姓,彼此商议要害你所隐藏的人。
Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
他们说:来吧,我们将他们剪灭,使他们不再成国!使以色列的名不再被人记念!
Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
他们同心商议,彼此结盟,要抵挡你,
Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
就是住帐棚的以东人和以实玛利人,摩押和夏甲人,
Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
迦巴勒、亚扪,和亚玛力、非利士并推罗的居民。
Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
亚述也与他们连合;他们作罗得子孙的帮手。(细拉)
Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
求你待他们,如待米甸,如在基顺河待西西拉和耶宾一样。
Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
他们在隐‧多珥灭亡,成了地上的粪土。
Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
求你叫他们的首领像俄立和西伊伯,叫他们的王子都像西巴和撒慕拿。
Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
他们说:我们要得 神的住处,作为自己的产业。
Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
我的 神啊,求你叫他们像旋风的尘土,像风前的碎秸。
Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
火怎样焚烧树林,火焰怎样烧著山岭,
Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
求你也照样用狂风追赶他们,用暴雨恐吓他们。
Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
愿你使他们满面羞耻,好叫他们寻求你─耶和华的名!
Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
愿他们永远羞愧惊惶!愿他们惭愧灭亡!
Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
使他们知道:惟独你─名为耶和华的─是全地以上的至高者!