Psalms 73

Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
(亚萨的诗。) 神实在恩待以色列那些清心的人!
Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
至于我,我的脚几乎失闪;我的脚险些滑跌。
Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
我见恶人和狂傲人享平安就心怀不平。
Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
他们死的时候没有疼痛;他们的力气却也壮实。
Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
他们不像别人受苦,也不像别人遭灾。
Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
所以,骄傲如链子戴在他们的项上;强暴像衣裳遮住他们的身体。
Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
他们的眼睛因体胖而凸出;他们所得的,过于心里所想的。
Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
他们讥笑人,凭恶意说欺压人的话;他们说话自高。
Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
他们的口亵渎上天;他们的舌毁谤全地。
Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;
所以 神的民归到这里,喝尽了满杯的苦水。
Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
他们说: 神怎能晓得?至高者岂有知识呢?
Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
看哪,这就是恶人;他们既是常享安逸,财宝便加增。
Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.
我实在徒然洁净了我的心,徒然洗手表明无辜。
Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
因为,我终日遭灾难;每早晨受惩治。
Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
我若说,我要这样讲,这就是以奸诈待你的众子。
Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
我思索怎能明白这事,眼看实系为难,
Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
等我进了 神的圣所,思想他们的结局。
Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
你实在把他们安在滑地,使他们掉在沉沦之中。
Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
他们转眼之间成了何等的荒凉!他们被惊恐灭尽了。
Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
人睡醒了,怎样看梦;主啊,你醒了也必照样轻看他们的影像。
Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
因而,我心里发酸,肺腑被刺。
Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
我这样愚昧无知,在你面前如畜类一般。
Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
然而,我常与你同在;你搀著我的右手。
Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.
你要以你的训言引导我,以后必接我到荣耀里。
Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
除你以外,在天上我有谁呢?除你以外,在地上我也没有所爱慕的。
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
我的肉体和我的心肠衰残;但 神是我心里的力量,又是我的福分,直到永远。
Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
远离你的,必要死亡;凡离弃你行邪淫的,你都灭绝了。
Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
但我亲近 神是与我有益;我以主耶和华为我的避难所,好叫我述说你一切的作为。