Psalms 67

Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
(一篇诗歌,交与伶长。用丝弦的乐器。)愿 神怜悯我们,赐福与我们,用脸光照我们,(细拉)
Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
好叫世界得知你的道路,万国得知你的救恩。
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
 神啊,愿列邦称讚你!愿万民都称讚你!
Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;
愿万国都快乐欢呼;因为你必按公正审判万民,引导世上的万国。(细拉)
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
 神啊,愿列邦称讚你!愿万民都称讚你!
Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
地已经出了土产; 神─就是我们的 神要赐福与我们。
Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
 神要赐福与我们;地的四极都要敬畏他!