Psalms 65

Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
(大卫的诗歌,交与伶长。) 神啊,锡安的人都等候讚美你;所许的愿也要向你偿还。
Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
听祷告的主啊,凡有血气的都要来就你。
Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
罪孽胜了我;至于我们的过犯,你都要赦免。
Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.
你所拣选、使他亲近你、住在你院中的,这人便为有福!我们必因你居所、你圣殿的美福知足了。
Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
拯救我们的 神啊,你必以威严秉公义应允我们;你本是一切地极和海上远处的人所倚靠的。
Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
他既以大能束腰,就用力量安定诸山,
Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
使诸海的响声和其中波浪的响声,并万民的喧哗,都平静了。
Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
住在地极的人因你的神迹惧怕;你使日出日落之地都欢呼。
Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
你眷顾地,降下透雨,使地大得肥美。 神的河满了水;你这样浇灌了地,好为人预备五谷。
Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
你浇透地的犁沟,润平犁脊,降甘霖,使地软和;其中发长的,蒙你赐福。
Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
你以恩典为年岁的冠冕;你的路径都滴下脂油,
Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.
滴在旷野的草场上。小山以欢乐束腰;
Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
草场以羊群为衣;谷中也长满了五谷。这一切都欢呼歌唱。