Psalms 62

Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
(大卫的诗,照耶杜顿的作法,交与伶长。)我的心默默无声,专等候 神;我的救恩是从他而来。
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
惟独他是我的磐石,我的拯救;他是我的高台,我必不很动摇。
Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
你们大家攻击一人,把他毁坏,如同毁坏歪斜的墙、将倒的壁,要到几时呢?
Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.
他们彼此商议,专要从他的尊位上把他推下;他们喜爱谎话,口虽祝福,心却咒诅。(细拉)
Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
我的心哪,你当默默无声,专等候 神,因为我的盼望是从他而来。
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
惟独他是我的磐石,我的拯救;他是我的高台,我必不动摇。
Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.
我的拯救、我的荣耀都在乎 神;我力量的磐石、我的避难所都在乎 神。
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.
你们众民当时时倚靠他,在他面前倾心吐意; 神是我们的避难所。(细拉)
Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
下流人真是虚空;上流人也是虚假;放在天平里就必浮起;他们一共比空气还轻。
Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
不要仗势欺人,也不要因抢夺而骄傲;若财宝加增,不要放在心上。
Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.
 神说了一次、两次,我都听见:就是能力都属乎 神。
Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
主啊,慈爱也是属乎你,因为你照著各人所行的报应他。