Psalms 59

Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko.
(扫罗打发人窥探大卫的房屋,要杀他。那时,大卫作这金诗,交与伶长。调用休要毁坏。)我的 神啊,求你救我脱离仇敌,把我安置在高处,得脱那些起来攻击我的人。
Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
求你救我脱离作孽的人和喜爱流人血的人!
Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
因为,他们埋伏要害我的命;有能力的人聚集来攻击我。耶和华啊,这不是为我的过犯,也不是为我的罪愆。
Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.
我虽然无过,他们预备整齐,跑来攻击我。求你兴起鉴察,帮助我!
Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
万军之 神─耶和华以色列的 神啊!求你兴起,惩治万邦!不要怜悯行诡诈的恶人!(细拉)
Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
他们晚上转回,叫号如狗,围城绕行。
Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
他们口中喷吐恶言,嘴里有刀;他们说:有谁听见?
Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
但你─耶和华必笑话他们;你要嗤笑万邦。
Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
我的力量啊,我必仰望你,因为 神是我的高台。
Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.
我的 神要以慈爱迎接我; 神要叫我看见我仇敌遭报。
Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
不要杀他们,恐怕我的民忘记。主啊,你是我们的盾牌;求你用你的能力使他们四散,且降为卑。
Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
因他们口中的罪和嘴里的言语,并咒骂虚谎的话,愿他们在骄傲之中被缠住了。
Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.
求你发怒,使他们消灭,以致归于无有,叫他们知道 神在雅各中间掌权,直到地极。(细拉)
Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
到了晚上,任凭他们转回;任凭他们叫号如狗,围城绕行。
Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
他们必走来走去,寻找食物,若不得饱就终夜在外。
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.
但我要歌颂你的力量,早晨要高唱你的慈爱;因为你作过我的高台,在我急难的日子作过我的避难所。
Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
我的力量啊,我要歌颂你;因为 神是我的高台,是赐恩与我的 神。