Psalms 58

Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?
(大卫的金诗,交与伶长。调用休要毁坏。)世人哪,你们默然不语,真合公义吗?施行审判,岂按正直吗?
Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
不然!你们是心中作恶;你们在地上秤出你们手所行的强暴。
Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
恶人一出母胎就与 神疏远,一离母腹便走错路,说谎话。
Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
他们的毒气好像蛇的毒气;他们好像塞耳的聋虺,
Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
不听行法术的声音,虽用极灵的咒语也是不听。
Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.
 神啊,求你敲碎他们口中的牙;耶和华啊,求你敲掉少壮狮子的大牙!
Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
愿他们消灭,如急流的水一般;他们瞅准射箭的时候,愿箭头彷彿砍断。
Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
愿他们像蜗牛消化过去,又像妇人坠落未见天日的胎。
Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
你们用荆棘烧火,锅还未热,他要用旋风把青的和烧著的一齐刮去。
Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;
义人见仇敌遭报就欢喜,要在恶人的血中洗脚。
Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.
因此,人必说:义人诚然有善报;在地上果有施行判断的 神!