Psalms 51

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
(大卫与拔示巴同室以后,先知拿单来见他;他作这诗,交与伶长。) 神啊,求你按你的慈爱怜恤我!按你丰盛的慈悲涂抹我的过犯!
Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
求你将我的罪孽洗除净尽,并洁除我的罪!
Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
因为,我知道我的过犯;我的罪常在我面前。
Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
我向你犯罪,惟独得罪了你;在你眼前行了这恶,以致你责备我的时候显为公义,判断我的时候显为清正。
Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
我是在罪孽里生的,在我母亲怀胎的时候就有了罪。
Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
你所喜爱的是内里诚实;你在我隐密处,必使我得智慧。
Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
求你用牛膝草洁净我,我就干净;求你洗涤我,我就比雪更白。
Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
求你使我得听欢喜快乐的声音,使你所压伤的骨头可以踊跃。
Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
求你掩面不看我的罪,涂抹我一切的罪孽。
Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
 神啊,求你为我造清洁的心,使我里面重新有正直(或译:坚定)的灵。
Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
不要丢弃我,使我离开你的面;不要从我收回你的圣灵。
Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
求你使我仍得救恩之乐,赐我乐意的灵扶持我,
Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
我就把你的道指教有过犯的人,罪人必归顺你。
Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.
 神啊,你是拯救我的 神;求你救我脱离流人血的罪!我的舌头就高声歌唱你的公义。
Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
主啊,求你使我嘴唇张开,我的口便传扬讚美你的话!
Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
你本不喜爱祭物,若喜爱,我就献上;燔祭,你也不喜悦。
Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
 神所要的祭就是忧伤的灵; 神啊,忧伤痛悔的心,你必不轻看。
Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.
求你随你的美意善待锡安,建造耶路撒冷的城墙。
Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
那时,你必喜爱公义的祭和燔祭并全牲的燔祭;那时,人必将公牛献在你坛上。