Psalms 50

Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
(亚萨的诗。)大能者 神─耶和华已经发言招呼天下,从日出之地到日落之处。
Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
从全美的锡安中, 神已经发光了。
Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
我们的 神要来,决不闭口。有烈火在他面前吞灭;有暴风在他四围大刮。
Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
他招呼上天下地,为要审判他的民,
Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
说:招聚我的圣民到我这里来,就是那些用祭物与我立约的人。
Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
诸天必表明他的公义,因为 神是施行审判的。(细拉)
Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
我的民哪,你们当听我的话!以色列啊,我要劝戒你;我是 神,是你的 神!
Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
我并不因你的祭物责备你;你的燔祭常在我面前。
Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;
我不从你家中取公牛,也不从你圈内取山羊;
Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
因为,树林中的百兽是我的,千山上的牲畜也是我的。
Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
山中的飞鸟,我都知道;野地的走兽也都属我。
Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
我若是饥饿,我不用告诉你,因为世界和其中所充满的都是我的。
Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?
我岂吃公牛的肉呢?我岂喝山羊的血呢?
Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;
你们要以感谢为祭献与 神,又要向至高者还你的愿,
Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
并要在患难之日求告我;我必搭救你,你也要荣耀我。
Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
但 神对恶人说:你怎敢传说我的律例,口中提到我的约呢?
Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
其实你恨恶管教,将我的言语丢在背后。
Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
你见了盗贼就乐意与他同伙,又与行奸淫的人一同有分。
Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
你口任说恶言;你舌编造诡诈。
Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.
你坐著毁谤你的兄弟,谗毁你亲母的儿子。
Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
你行了这些事,我还闭口不言,你想我恰和你一样;其实我要责备你,将这些事摆在你眼前。
Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
你们忘记 神的,要思想这事,免得我把你们撕碎,无人搭救。
Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
凡以感谢献上为祭的便是荣耀我;那按正路而行的,我必使他得著我的救恩。