Psalms 47

Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.
(可拉后裔的诗,交与伶长。)万民哪,你们都要拍掌!要用夸胜的声音向 神呼喊!
Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.
因为耶和华至高者是可畏的;他是治理全地的大君王。
Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.
他叫万民服在我们以下,又叫列邦服在我们脚下。
Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany.
他为我们选择产业,就是他所爱之雅各的荣耀。(细拉)
Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.
 神上升,有喊声相送;耶和华上升,有角声相送。
Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
你们要向 神歌颂,歌颂!向我们王歌颂,歌颂!
Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
因为 神是全地的王;你们要用悟性歌颂。
Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina.
 神作王治理万国; 神坐在他的圣宝座上。
Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.
列邦的君王聚集要作亚伯拉罕之 神的民。因为世界的盾牌是属 神的;他为至高!