Psalms 36

Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.
(耶和华的仆人大卫的诗,交与伶长。)恶人的罪过在他心里说:我眼中不怕 神!
Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
他自夸自媚,以为他的罪孽终不显露,不被恨恶。
Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
他口中的言语尽是罪孽诡诈;他与智慧善行已经断绝。
Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
他在床上图谋罪孽,定意行不善的道,不憎恶恶事。
Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
耶和华啊,你的慈爱上及诸天;你的信实达到穹苍。
Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
你的公义好像高山;你的判断如同深渊。耶和华啊,人民、牲畜,你都救护。
Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
 神啊,你的慈爱何其宝贵!世人投靠在你翅膀的荫下。
Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
他们必因你殿里的肥甘得以饱足;你也必叫他们喝你乐河的水。
Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
因为,在你那里有生命的源头;在你的光中,我们必得见光。
Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
愿你常施慈爱给认识你的人,常以公义待心里正直的人。
Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
不容骄傲人的脚践踏我;不容凶恶人的手赶逐我。
Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
在那里,作孽的人已经仆倒;他们被推倒,不能再起来。