Psalms 25

Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
(大卫的诗。)耶和华啊,我的心仰望你。
Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.
我的 神啊,我素来倚靠你;求你不要叫我羞愧,不要叫我的仇敌向我夸胜。
Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
凡等候你的必不羞愧;惟有那无故行奸诈的必要羞愧。
Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
耶和华啊,求你将你的道指示我,将你的路教训我!
Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
求你以你的真理引导我,教训我,因为你是救我的 神。我终日等候你。
Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
耶和华啊,求你记念你的怜悯和慈爱,因为这是亘古以来所常有的。
Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
求你不要记念我幼年的罪愆和我的过犯;耶和华啊,求你因你的恩惠,按你的慈爱记念我。
Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
耶和华是良善正直的,所以他必指示罪人走正路。
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
他必按公平引领谦卑人,将他的道教训他们。
Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
凡遵守他的约和他法度的人,耶和华都以慈爱诚实待他。
Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
耶和华啊,求你因你的名赦免我的罪,因为我的罪重大。
Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
谁敬畏耶和华,耶和华必指示他当选择的道路。
Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
他必安然居住;他的后裔必承受地土。
Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
耶和华与敬畏他的人亲密;他必将自己的约指示他们。
Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.
我的眼目时常仰望耶和华,因为他必将我的脚从网里拉出来。
Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
求你转向我,怜恤我,因为我是孤独困苦。
Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
我心里的愁苦甚多,求你救我脱离我的祸患。
Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
求你看顾我的困苦,我的艰难,赦免我一切的罪。
Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
求你察看我的仇敌,因为他们人多,并且痛痛地恨我。
Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
求你保护我的性命,搭救我,使我不致羞愧,因为我投靠你。
Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
愿纯全、正直保守我,因为我等候你。
Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
 神啊,求你救赎以色列脱离他一切的愁苦。