Psalms 148

Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
你们要讚美耶和华!从天上讚美耶和华,在高处讚美他!
Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
他的众使者都要讚美他!他的诸军都要讚美他!
Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
日头月亮,你们要讚美他!放光的星宿,你们都要讚美他!
Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
天上的天和天上的水,你们都要讚美他!
Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
愿这些都讚美耶和华的名!因他一吩咐便都造成。
Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
他将这些立定,直到永永远远;他定了命,不能废去(或译:越过)。
Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
所有在地上的,大鱼和一切深洋,
Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
火与冰雹,雪和雾气,成就他命的狂风,
Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
大山和小山,结果的树木和一切香柏树,
Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
野兽和一切牲畜,昆虫和飞鸟,
Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
世上的君王和万民,首领和世上一切审判官,
Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
少年人和处女,老年人和孩童,都当讚美耶和华!
Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
愿这些都讚美耶和华的名!因为独有他的名被尊崇;他的荣耀在天地之上。
Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
他将他百姓的角高举,因此他(或译:他使)一切圣民以色列人,就是与他相近的百姓,都讚美他!你们要讚美耶和华!