Psalms 147

Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
你们要讚美耶和华!因歌颂我们的 神为善为美;讚美的话是合宜的。
Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
耶和华建造耶路撒冷,聚集以色列中被赶散的人。
Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
他医好伤心的人,裹好他们的伤处。
Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
他数点星宿的数目,一一称他的名。
Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
我们的主为大,最有能力;他的智慧无法测度。
Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
耶和华扶持谦卑人,将恶人倾覆于地。
Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
你们要以感谢向耶和华歌唱,用琴向我们的 神歌颂。
Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
他用云遮天,为地降雨,使草生长在山上。
Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
他赐食给走兽和啼叫的小乌鸦。
Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
他不喜悦马的力大,不喜爱人的腿快。
Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
耶和华喜爱敬畏他和盼望他慈爱的人。
Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
耶路撒冷啊,你要颂讚耶和华!锡安哪,你要讚美你的 神!
Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
因为他坚固了你的门闩,赐福给你中间的儿女。
Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
他使你境内平安,用上好的麦子使你满足。
Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
他发命在地;他的话颁行最快。
Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
他降雪如羊毛,撒霜如炉灰。
Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
他掷下冰雹如碎渣;他发出寒冷,谁能当得起呢?
Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
他一出令,这些就都消化;他使风刮起,水便流动。
Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.
他将他的道指示雅各,将他的律例典章指示以色列。
Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
别国他都没有这样待过;至于他的典章,他们向来没有知道。你们要讚美耶和华!