Psalms 146

Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.
你们要讚美耶和华!我的心哪,你要讚美耶和华!
Hidera an'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
我一生要讚美耶和华!我还活的时候要歌颂我的 神!
Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
你们不要倚靠君王,不要倚靠世人;他一点不能帮助。
Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany.
他的气一断,就归回尘土;他所打算的,当日就消灭了。
Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah Andriamaniny,
以雅各的 神为帮助、仰望耶和华─他 神的,这人便为有福!
Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
耶和华造天、地、海,和其中的万物;他守诚实,直到永远。
Izay manome rariny ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
他为受屈的伸冤,赐食物与饥饿的。耶和华释放被囚的;
Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
耶和华开了瞎子的眼睛;耶和华扶起被压下的人。耶和华喜爱义人。
Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.
耶和华保护寄居的,扶持孤儿和寡妇,却使恶人的道路弯曲。
Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
耶和华要作王,直到永远!锡安哪,你的 神要作王,直到万代!你们要讚美耶和华!