Psalms 140

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,
(大卫的诗,交与伶长。)耶和华啊,求你拯救我脱离凶恶的人,保护我脱离强暴的人!
Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro
他们心中图谋奸恶,常常聚集要争战。
Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.
他们使舌头尖利如蛇,嘴里有虺蛇的毒气。(细拉)
Jehovah ô, vonjeo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
耶和华啊,求你拯救我脱离恶人的手,保护我脱离强暴的人!他们图谋推我跌倒。
Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
骄傲人为我暗设网罗和绳索;他们在路旁铺下网,设下圈套。(细拉)
Hoy izaho tamin'i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!
我曾对耶和华说:你是我的 神。耶和华啊,求你留心听我恳求的声音!
Jehovah, Tompo ô, ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.
主─耶和华、我救恩的力量啊,在争战的日子,你遮蔽了我的头。
Jehovah ô, aza manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.
耶和华啊,求你不要遂恶人的心愿;不要成就他们的计谋,恐怕他们自高。(细拉)
Ny lohan'izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.
至于那些昂首围困我的人,愿他们嘴唇的奸恶陷害(原文是遮蔽)自己!
Aoka hisy vain'afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
愿火炭落在他们身上!愿他们被丢在火中,抛在深坑里,不能再起来。
Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
说恶言的人在地上必坚立不住;祸患必猎取强暴的人,将他打倒。
Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.
我知道耶和华必为困苦人伸冤,必为穷乏人辨屈。
Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
义人必要称讚你的名;正直人必住在你面前。