Psalms 139

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
(大卫的诗,交与伶长。)耶和华啊,你已经鉴察我,认识我。
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
我坐下,我起来,你都晓得;你从远处知道我的意念。
Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
我行路,我躺卧,你都细察;你也深知我一切所行的。
Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
耶和华啊,我舌头上的话,你没有一句不知道的。
Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
你在我前后环绕我,按手在我身上。
Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
这样的知识奇妙,是我不能测的,至高,是我不能及的。
Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
我往哪里去躲避你的灵?我往哪里逃、躲避你的面?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.
我若升到天上,你在那里;我若在阴间下榻,你也在那里。
Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
我若展开清晨的翅膀,飞到海极居住,
Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
就是在那里,你的手必引导我;你的右手也必扶持我。
Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
我若说:黑暗必定遮蔽我,我周围的亮光必成为黑夜;
Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.
黑暗也不能遮蔽我,使你不见,黑夜却如白昼发亮。黑暗和光明,在你看都是一样。
Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
我的肺腑是你所造的;我在母腹中,你已覆庇我。
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
我要称谢你,因我受造,奇妙可畏;你的作为奇妙,这是我心深知道的。
Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.
我在暗中受造,在地的深处被联络;那时,我的形体并不向你隐藏。
Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
我未成形的体质,你的眼早已看见了;你所定的日子,我尚未度一日(或译:我被造的肢体尚未有其一),你都写在你的册上了。
Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!
 神啊,你的意念向我何等宝贵!其数何等众多!
Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
我若数点,比海沙更多;我睡醒的时候,仍和你同在。
Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.
 神啊,你必要杀戮恶人;所以,你们好流人血的,离开我去吧!
Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
因为他们说恶言顶撞你;你的仇敌也妄称你的名。
Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin'izay mitsangana hanohitra Anao?
耶和华啊,恨恶你的,我岂不恨恶他们吗?攻击你的,我岂不憎嫌他们吗?
Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
我切切地恨恶他们,以他们为仇敌。
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
 神啊,求你鉴察我,知道我的心思,试炼我,知道我的意念,
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
看在我里面有什么恶行没有,引导我走永生的道路。