Psalms 119

Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
行为完全、遵行耶和华律法的,这人便为有福!
Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra;
遵守他的法度、一心寻求他的,这人便为有福!
Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
这人不做非义的事,但遵行他的道。
Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
耶和华啊,你曾将你的训词吩咐我们,为要我们殷勤遵守。
Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
但愿我行事坚定,得以遵守你的律例。
Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
我看重你的一切命令,就不至于羞愧。
Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
我学了你公义的判语,就要以正直的心称谢你。
Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
我必守你的律例;求你总不要丢弃我!
Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
少年人用什么洁净他的行为呢?是要遵行你的话!
Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
我一心寻求了你;求你不要叫我偏离你的命令。
Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
我将你的话藏在心里,免得我得罪你。
Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
耶和华啊,你是应当称颂的!求你将你的律例教训我!
Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
我用嘴唇传扬你口中的一切典章。
Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
我喜悦你的法度,如同喜悦一切的财物。
Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
我要默想你的训词,看重你的道路。
Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
我要在你的律例中自乐;我不忘记你的话。
Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
求你用厚恩待你的仆人,使我存活,我就遵守你的话。
Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
求你开我的眼睛,使我看出你律法中的奇妙。
Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
我是在地上作寄居的;求你不要向我隐瞒你的命令!
Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
我时常切慕你的典章,甚至心碎。
Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
受咒诅、偏离你命令的骄傲人,你已经责备他们。
Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
求你除掉我所受的羞辱和藐视,因我遵守你的法度。
Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
虽有首领坐著妄论我,你仆人却思想你的律例。
Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
你的法度是我所喜乐的,是我的谋士。
Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
我的性命几乎归于尘土;求你照你的话将我救活!
Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
我述说我所行的,你应允了我;求你将你的律例教训我!
Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
求你使我明白你的训词,我就思想你的奇事。
Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
我的心因愁苦而消化;求你照你的话使我坚立!
Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
求你使我离开奸诈的道,开恩将你的律法赐给我!
Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
我拣选了忠信的道,将你的典章摆在我面前。
Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
我持守你的法度;耶和华啊,求你不要叫我羞愧!
Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
你开广我心的时候,我就往你命令的道上直奔。
Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
耶和华啊,求你将你的律例指教我,我必遵守到底!
Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
求你赐我悟性,我便遵守你的律法,且要一心遵守。
Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
求你叫我遵行你的命令,因为这是我所喜乐的。
Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
求你使我的心趋向你的法度,不趋向非义之财。
Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.
求你叫我转眼不看虚假,又叫我在你的道中生活。
Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.
你向敬畏你的人所应许的话,求你向仆人坚定!
Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
求你使我所怕的羞辱远离我,因你的典章本为美。
Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.
我羨慕你的训词;求你使我在你的公义上生活!
Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
耶和华啊,愿你照你的话,使你的慈爱,就是你的救恩,临到我身上,
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
我就有话回答那羞辱我的,因我倚靠你的话。
Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
求你叫真理的话总不离开我口,因我仰望你的典章。
Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
我要常守你的律法,直到永永远远。
Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
我要自由而行(或译:我要行在宽阔之地),因我素来考究你的训词。
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
我也要在君王面前论说你的法度,并不至于羞愧。
Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.
我要在你的命令中自乐;这命令素来是我所爱的。
Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
我又要遵行(原文是举手)你的命令,这命令素来是我所爱的;我也要思想你的律例。
Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.
求你记念向你仆人所应许的话,叫我有盼望。
Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
这话将我救活了;我在患难中,因此得安慰。
Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
骄傲的人甚侮慢我,我却未曾偏离你的律法。
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
耶和华啊,我记念你从古以来的典章,就得了安慰。
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
我见恶人离弃你的律法,就怒气发作,犹如火烧。
Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
我在世寄居,素来以你的律例为诗歌。
Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
耶和华啊,我夜间记念你的名,遵守你的律法。
Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
我所以如此,是因我守你的训词。
Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
耶和华是我的福分;我曾说,我要遵守你的言语。
Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
我一心求过你的恩;愿你照你的话怜悯我!
Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
我思想我所行的道,就转步归向你的法度。
Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
我急忙遵守你的命令,并不迟延。
Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
恶人的绳索缠绕我,我却没有忘记你的律法。
Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
我因你公义的典章,半夜必起来称谢你。
Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.
凡敬畏你、守你训词的人,我都与他作伴。
Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
耶和华啊,你的慈爱遍满大地;求你将你的律例教训我!
Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
耶和华啊,你向来是照你的话善待仆人。
Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
求你将精明和知识赐给我,因我信了你的命令。
Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
我未受苦以先走迷了路,现在却遵守你的话。
Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
你本为善,所行的也善;求你将你的律例教训我!
Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
骄傲人编造谎言攻击我,我却要一心守你的训词。
Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
他们心蒙脂油,我却喜爱你的律法。
Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
我受苦是与我有益,为要使我学习你的律例。
Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
你口中的训言(或译:律法)与我有益,胜于千万的金银。
Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
你的手制造我,建立我;求你赐我悟性,可以学习你的命令!
Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
敬畏你的人见我就要欢喜,因我仰望你的话。
Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
耶和华啊,我知道你的判语是公义的;你使我受苦是以诚实待我。
Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
求你照著应许仆人的话,以慈爱安慰我。
Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
愿你的慈悲临到我,使我存活,因你的律法是我所喜爱的。
Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
愿骄傲人蒙羞,因为他们无理地倾覆我;但我要思想你的训词。
Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
愿敬畏你的人归向我,他们就知道你的法度。
Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
愿我的心在你的律例上完全,使我不致蒙羞。
Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
我心渴想你的救恩,仰望你的应许。
Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
我因盼望你的应许眼睛失明,说:你何时安慰我?
Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
我好像烟薰的皮袋,却不忘记你的律例。
Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao?
你仆人的年日有多少呢?你几时向逼迫我的人施行审判呢?
Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
不从你律法的骄傲人为我掘了坑。
Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
你的命令尽都诚实;他们无理地逼迫我,求你帮助我!
Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
他们几乎把我从世上灭绝,但我没有离弃你的训词。
Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
求你照你的慈爱将我救活,我就遵守你口中的法度。
Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
耶和华啊,你的话安定在天,直到永远。
Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
你的诚实存到万代;你坚定了地,地就长存。
Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
天地照你的安排存到今日;万物都是你的仆役。
Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
我若不是喜爱你的律法,早就在苦难中灭绝了!
Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
我永不忘记你的训词,因你用这训词将我救活了。
Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
我是属你的,求你救我,因我寻求了你的训词。
Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
恶人等待我,要灭绝我,我却要揣摩你的法度。
Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
我看万事尽都有限,惟有你的命令极其宽广。
Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
我何等爱慕你的律法,终日不住地思想。
Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
你的命令常存在我心里,使我比仇敌有智慧。
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
我比我的师傅更通达,因我思想你的法度。
Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
我比年老的更明白,因我守了你的训词。
Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
我禁止我脚走一切的邪路,为要遵守你的话。
Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
我没有偏离你的典章,因为你教训了我。
Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
你的言语在我上膛何等甘美,在我口中比蜜更甜!
Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
我借著你的训词得以明白,所以我恨一切的假道。
Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
你的话是我脚前的灯,是我路上的光。
Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
你公义的典章,我曾起誓遵守,我必按誓而行。
Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
我甚是受苦;耶和华啊,求你照你的话将我救活!
Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
耶和华啊,求你悦纳我口中的讚美为供物,又将你的典章教训我!
An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
我的性命常在危险之中,我却不忘记你的律法。
Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.
恶人为我设下网罗,我却没有偏离你的训词。
Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.
我以你的法度为永远的产业,因这是我心中所喜爱的。
Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.
我的心专向你的律例,永远遵行,一直到底。
Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
心怀二意的人为我所恨;但你的律法为我所爱。
Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
你是我藏身之处,又是我的盾牌;我甚仰望你的话语。
Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
作恶的人哪,你们离开我吧!我好遵守我 神的命令。
Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
求你照你的话扶持我,使我存活,也不叫我因失望而害羞。
Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
求你扶持我,我便得救,时常看重你的律例。
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
凡偏离你律例的人,你都轻弃他们,因为他们的诡诈必归虚空。
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
凡地上的恶人,你除掉他,好像除掉渣滓;因此我爱你的法度。
Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
我因惧怕你,肉就发抖;我也怕你的判语。
Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.
我行过公平和公义,求你不要撇下我给欺压我的人!
Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
求你为仆人作保,使我得好处,不容骄傲人欺压我!
Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
我因盼望你的救恩和你公义的话眼睛失明。
Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
求你照你的慈爱待仆人,将你的律例教训我。
Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
我是你的仆人,求你赐我悟性,使我得知你的法度。
Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
这是耶和华降罚的时候,因人废了你的律法。
Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
所以,我爱你的命令胜于金子,更胜于精金。
Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
你一切的训词,在万事上我都以为正直;我却恨恶一切假道。
Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
你的法度奇妙,所以我一心谨守。
Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
你的言语一解开就发出亮光,使愚人通达。
Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
我张口而气喘,因我切慕你的命令。
Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
求你转向我,怜悯我,好像你素常待那些爱你名的人。
Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
求你用你的话使我脚步稳当,不许什么罪孽辖制我。
Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.
求你救我脱离人的欺压,我要遵守你的训词。
Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
求你用脸光照仆人,又将你的律例教训我。
Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.
我的眼泪下流成河,因为他们不守你的律法。
Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
耶和华啊,你是公义的;你的判语也是正直的!
Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
你所命定的法度是凭公义和至诚。
Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
我心焦急,如同火烧,因我敌人忘记你的言语。
Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
你的话极其精炼,所以你的仆人喜爱。
Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
我微小,被人藐视,却不忘记你的训词。
Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
你的公义永远长存;你的律法尽都真实。
Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
我遭遇患难愁苦,你的命令却是我所喜爱的。
Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
你的法度永远是公义的;求你赐我悟性,我就活了。
Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
耶和华啊,我一心呼籲你;求你应允我,我必谨守你的律例!
Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
我向你呼籲,求你救我!我要遵守你的法度。
Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
我趁天未亮呼求;我仰望了你的言语。
Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
我趁夜更未换将眼睁开,为要思想你的话语。
Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
求你照你的慈爱听我的声音;耶和华啊,求你照你的典章将我救活!
Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
追求奸恶的人临近了;他们远离你的律法。
Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
耶和华啊,你与我相近;你一切的命令尽都真实!
Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
我因学你的法度,久已知道是你永远立定的。
Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
求你看顾我的苦难,搭救我,因我不忘记你的律法。
Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
求你为我辨屈,救赎我,照你的话将我救活。
Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
救恩远离恶人,因为他们不寻求你的律例。
Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
耶和华啊,你的慈悲本为大;求你照你的典章将我救活。
Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
逼迫我的,抵挡我的,很多,我却没有偏离你的法度。
Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
我看见奸恶的人就甚憎恶,因为他们不遵守你的话。
He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
你看我怎样爱你的训词!耶和华啊,求你照你的慈爱将我救活!
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
你话的总纲是真实;你一切公义的典章是永远长存。
Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.
首领无故地逼迫我,但我的心畏惧你的言语。
Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
我喜爱你的话,好像人得了许多掳物。
Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
谎话是我所恨恶所憎嫌的;惟你的律法是我所爱的。
Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
我因你公义的典章一天七次讚美你。
Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
爱你律法的人有大平安,什么都不能使他们绊脚。
Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
耶和华啊,我仰望了你的救恩,遵行了你的命令。
Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
我心里守了你的法度;这法度我甚喜爱。
Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
我遵守了你的训词和法度,因我一切所行的都在你面前。
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
耶和华啊,愿我的呼籲达到你面前,照你的话赐我悟性。
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
愿我的恳求达到你面前,照你的话搭救我。
Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
愿我的嘴发出讚美的话,因为你将律例教训我。
Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
愿我的舌头歌唱你的话,因你一切的命令尽都公义。
Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
愿你用手帮助我,因我拣选了你的训词。
Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
耶和华啊,我切慕你的救恩!你的律法也是我所喜爱的。
Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
愿我的性命存活,得以讚美你!愿你的典章帮助我!
Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
我如亡羊走迷了路,求你寻找仆人,因我不忘记你的命令。