Psalms 11

Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
(大卫的诗,交与伶长。)我是投靠耶和华;你们怎么对我说:你当像鸟飞往你的山去。
Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
看哪,恶人弯弓,把箭搭在弦上,要在暗中射那心里正直的人。
Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?
根基若毁坏,义人还能做什么呢?
Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
耶和华在他的圣殿里;耶和华的宝座在天上;他的慧眼察看世人。
Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
耶和华试验义人;惟有恶人和喜爱强暴的人,他心里恨恶。
Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
他要向恶人密布网罗;有烈火、硫磺、热风,作他们杯中的分。
Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.
因为耶和华是公义的,他喜爱公义;正直人必得见他的面。