Psalms 105

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
你们要称谢耶和华,求告他的名,在万民中传扬他的作为!
Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
要向他唱诗歌颂,谈论他一切奇妙的作为!
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
要以他的圣名夸耀!寻求耶和华的人,心中应当欢喜!
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
要寻求耶和华与他的能力,时常寻求他的面。
Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
他仆人亚伯拉罕的后裔,他所拣选雅各的子孙哪,你们要记念他奇妙的作为和他的奇事,并他口中的判语。
Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
5-6节合并
Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
他是耶和华─我们的 神;全地都有他的判断。
Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
他记念他的约,直到永远;他所吩咐的话,直到千代─
Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
就是与亚伯拉罕所立的约,向以撒所起的誓。
Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
他又将这约向雅各定为律例,向以色列定为永远的约,
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
说:我必将迦南地赐给你,作你产业的分。
Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
当时,他们人丁有限,数目稀少,并且在那地为寄居的。
Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
他们从这邦游到那邦,从这国行到那国。
Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
他不容什么人欺负他们,为他们的缘故责备君王,
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
说:不可难为我受膏的人,也不可恶待我的先知。
Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
他命饥荒降在那地上,将所倚靠的粮食全行断绝,
Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
在他们以先打发一个人去─约瑟被卖为奴仆。
Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
人用脚镣伤他的脚;他被铁鍊捆拘。
Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
耶和华的话试炼他,直等到他所说的应验了。
Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
王打发人把他解开,就是治理众民的,把他释放,
Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
立他作王家之主,掌管他一切所有的,
Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
使他随意捆绑他的臣宰,将智慧教导他的长老。
Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
以色列也到了埃及;雅各在含地寄居。
Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
耶和华使他的百姓生养众多,使他们比敌人强盛,
Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
使敌人的心转去恨他的百姓,并用诡计待他的仆人。
Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
他打发他的仆人摩西和他所拣选的亚伦,
Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
在敌人中间显他的神迹,在含地显他的奇事。
Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
他命黑暗,就有黑暗;没有违背他话的。
Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
他叫埃及的水变为血,叫他们的鱼死了。
Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
在他们的地上以及王宫的内室,青蛙多多滋生。
Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra.
他说一声,苍蝇就成群而来,并有虱子进入他们四境。
Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
他给他们降下冰雹为雨,在他们的地上降下火焰。
Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
他也击打他们的葡萄树和无花果树,毁坏他们境内的树木。
Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
他说一声,就有蝗虫蚂蚱上来,不计其数,
Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
吃尽了他们地上各样的菜蔬和田地的出产。
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
他又击杀他们国内一切的长子,就是他们强壮时头生的。
Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
他领自己的百姓带银子金子出来;他支派中没有一个软弱的。
Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
他们出来的时候,埃及人便欢喜;原来埃及人惧怕他们。
Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
他铺张云彩当遮盖,夜间使火光照。
Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
他们一求,他就使鹌鹑飞来,并用天上的粮食叫他们饱足。
Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.
他打开磐石,水就涌出;在干旱之处,水流成河。
Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
这都因他记念他的圣言和他的仆人亚伯拉罕。
Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
他带领百姓欢乐而出,带领选民欢呼前往。
Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,
他将列国的地赐给他们,他们便承受众民劳碌得来的,
Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
好使他们遵他的律例,守他的律法。你们要讚美耶和华!