Proverbs 8

Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
智慧岂不呼叫?聪明岂不发声?
Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
她在道旁高处的顶上,在十字路口站立,
Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
在城门旁,在城门口,在城门洞,大声说:
Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
众人哪,我呼叫你们,我向世人发声。
Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
说:愚蒙人哪,你们要会悟灵明;愚昧人哪,你们当心里明白。
Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
你们当听,因我要说极美的话;我张嘴要论正直的事。
Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
我的口要发出真理;我的嘴憎恶邪恶。
Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
我口中的言语都是公义,并无弯曲乖僻。
Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
有聪明的,以为明显,得知识的,以为正直。
Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
你们当受我的教训,不受白银;宁得知识,胜过黄金。
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
因为智慧比珍珠(或译:红宝石)更美;一切可喜爱的都不足与比较。
Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
我─智慧以灵明为居所,又寻得知识和谋略。
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
敬畏耶和华在乎恨恶邪恶;那骄傲、狂妄,并恶道,以及乖谬的口,都为我所恨恶。
Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
我有谋略和真知识;我乃聪明,我有能力。
Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
帝王借我坐国位;君王借我定公平。
Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
王子和首领,世上一切的审判官,都是借我掌权。
Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
爱我的,我也爱他;恳切寻求我的,必寻得见。
Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
丰富尊荣在我;恒久的财并公义也在我。
Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
我的果实胜过黄金,强如精金;我的出产超乎高银。
Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
我在公义的道上走,在公平的路中行,
Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
使爱我的,承受货财,并充满他们的府库。
Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.
在耶和华造化的起头,在太初创造万物之先,就有了我。
Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
从亘古,从太初,未有世界以前,我已被立。
Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
没有深渊,没有大水的泉源,我已生出。
Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
大山未曾奠定,小山未有之先,我已生出。
Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
耶和华还没有创造大地和田野,并世上的土质,我已生出。
Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
他立高天,我在那里;他在渊面的周围,划出圆圈。
Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
上使穹苍坚硬,下使渊源稳固,
Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
为沧海定出界限,使水不越过他的命令,立定大地的根基。
Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
那时,我在他那里为工师,日日为他所喜爱,常常在他面前踊跃,
Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
踊跃在他为人预备可住之地,也喜悦住在世人之间。
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
众子啊,现在要听从我,因为谨守我道的,便为有福。
Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
要听教训就得智慧,不可弃绝。
Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
听从我、日日在我门口仰望、在我门框旁边等候的,那人便为有福。
Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;
因为寻得我的,就寻得生命,也必蒙耶和华的恩惠。
Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
得罪我的,却害了自己的性命;恨恶我的,都喜爱死亡。