Proverbs 6

Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
我儿,你若为朋友作保,替外人击掌,
Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
你就被口中的话语缠住,被嘴里的言语捉住。
Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
我儿,你既落在朋友手中,就当这样行才可救自己:你要自卑,去恳求你的朋友。
Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
不要容你的眼睛睡觉;不要容你的眼皮打盹。
Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.
要救自己,如鹿脱离猎户的手,如鸟脱离捕鸟人的手。
Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
懒惰人哪,你去察看蚂蚁的动作就可得智慧。
Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
蚂蚁没有元帅,没有官长,没有君王,
Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
尚且在夏天预备食物,在收割时聚敛粮食。
Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao?
懒惰人哪,你要睡到几时呢?你何时睡醒呢?
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
再睡片时,打盹片时,抱著手躺卧片时,
Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
你的贫穷就必如强盗速来,你的缺乏彷彿拿兵器的人来到。
Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
无赖的恶徒,行动就用乖僻的口,
Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
用眼传神,用脚示意,用指点划,
Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
心中乖僻,常设恶谋,布散纷争。
Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
所以,灾难必忽然临到他身;他必顷刻败坏,无法可治。
Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
耶和华所恨恶的有六样,连他心所憎恶的共有七样:
Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
就是高傲的眼,撒谎的舌,流无辜人血的手,
Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
图谋恶计的心,飞跑行恶的脚,
Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
吐谎言的假见证,并弟兄中布散纷争的人。
Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
我儿,要谨守你父亲的诫命;不可离弃你母亲的法则(或译:指教),
Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
要常系在你心上,挂在你项上。
Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
你行走,它必引导你;你躺卧,它必保守你;你睡醒,它必与你谈论。
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
因为诫命是灯,法则(或译:指教)是光,训诲的责备是生命的道,
Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga.
能保你远离恶妇,远离外女谄媚的舌头。
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
你心中不要恋慕她的美色,也不要被她眼皮勾引。
Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
因为,妓女能使人只剩一块饼;淫妇猎取人宝贵的生命。
Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
人若怀里搋火,衣服岂能不烧呢?
Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
人若在火炭上走,脚岂能不烫呢?
Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
亲近邻舍之妻的,也是如此;凡挨近她的,不免受罚。
Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
贼因饥饿偷窃充饥,人不藐视他,
Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
若被找著,他必赔还七倍,必将家中所有的尽都偿还。
Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
与妇人行淫的,便是无知;行这事的,必丧掉生命。
Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
他必受伤损,必被凌辱;他的羞耻不得涂抹。
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.
因为人的嫉恨成了烈怒,报仇的时候决不留情。
Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.
什么赎价,他都不顾;你虽送许多礼物,他也不肯干休。