Proverbs 5

Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
我儿,要留心我智慧的话语,侧耳听我聪明的言词,
Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
为要使你谨守谋略,嘴唇保存知识。
Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
因为淫妇的嘴滴下蜂蜜;她的口比油更滑,
Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
至终却苦似茵蔯,快如两刃的刀。
Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.
她的脚下入死地;她脚步踏住阴间,
Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
以致她找不著生命平坦的道。她的路变迁不定,自己还不知道。
Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
众子啊,现在要听从我;不可离弃我口中的话。
Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
你所行的道要离她远,不可就近她的房门,
Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
恐怕将你的尊荣给别人,将你的岁月给残忍的人;
Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;
恐怕外人满得你的力量,你劳碌得来的,归入外人的家;
Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
终久,你皮肉和身体消毁,你就悲叹,
Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
说:我怎么恨恶训诲,心中藐视责备,
Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
也不听从我师傅的话,又不侧耳听那教训我的人?
Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
我在圣会里,几乎落在诸般恶中。
Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.
你要喝自己池中的水,饮自己井里的活水。
Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
你的泉源岂可涨溢在外?你的河水岂可流在街上?
Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
惟独归你一人,不可与外人同用。
Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
要使你的泉源蒙福;要喜悦你幼年所娶的妻。
Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
她如可爱的麀鹿,可喜的母鹿;愿她的胸怀使你时时知足,她的爱情使你常常恋慕。
Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga?
我儿,你为何恋慕淫妇?为何抱外女的胸怀?
Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
因为,人所行的道都在耶和华眼前;他也修平人一切的路。
Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy
恶人必被自己的罪孽捉住;他必被自己的罪恶如绳索缠绕。
Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
他因不受训诲就必死亡;又因愚昧过甚,必走差了路。