Proverbs 4

Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
众子啊,要听父亲的教训,留心得知聪明。
Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
因我所给你们的是好教训;不可离弃我的法则(或译:指教)。
Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.
我在父亲面前为孝子,在母亲眼中为独一的娇儿。
Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
父亲教训我说:你心要存记我的言语,遵守我的命令,便得存活。
Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
要得智慧,要得聪明,不可忘记,也不可偏离我口中的言语。
Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
不可离弃智慧,智慧就护卫你;要爱她,她就保守你。
Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
智慧为首;所以,要得智慧。在你一切所得之内必得聪明(或译:用你一切所得的去换聪明)。
Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
高举智慧,她就使你高升;怀抱智慧,她就使你尊荣。
Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
她必将华冠加在你头上,把荣冕交给你。
Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
我儿,你要听受我的言语,就必延年益寿。
Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
我已指教你走智慧的道,引导你行正直的路。
Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
你行走,脚步必不致狭窄;你奔跑,也不致跌倒。
Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
要持定训诲,不可放松;必当谨守,因为她是你的生命。
Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
不可行恶人的路;不要走坏人的道。
Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
要躲避,不可经过;要转身而去。
Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
这等人若不行恶,不得睡觉;不使人跌倒,睡卧不安;
Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
因为他们以奸恶吃饼,以强暴喝酒。
Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
但义人的路好像黎明的光,越照越明,直到日午。
Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
恶人的道好像幽暗,自己不知因什么跌倒。
Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
我儿,要留心听我的言词,侧耳听我的话语,
Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
都不可离你的眼目,要存记在你心中。
Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
因为得著它的,就得了生命,又得了医全体的良药。
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.
你要保守你心,胜过保守一切(或译:你要切切保守你心),因为一生的果效是由心发出。
Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
你要除掉邪僻的口,弃绝乖谬的嘴。
Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
你的眼目要向前正看;你的眼睛(原文是皮)当向前直观。
Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
要修平你脚下的路,坚定你一切的道。
Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
不可偏向左右;要使你的脚离开邪恶。