Proverbs 22

Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
美名胜过大财;恩宠强如金银。
Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
富户穷人在世相遇,都为耶和华所造。
Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
通达人见祸藏躲;愚蒙人前往受害。
Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
敬畏耶和华心存谦卑,就得富有、尊荣、生命为赏赐。
Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
乖僻人的路上有荆棘和网罗;保守自己生命的,必要远离。
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
教养孩童,使他走当行的道,就是到老他也不偏离。
Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
富户管辖穷人;欠债的是债主的仆人。
Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
撒罪孽的,必收灾祸;他逞怒的杖也必废掉。
Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
眼目慈善的,就必蒙福,因他将食物分给穷人。
Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
赶出亵慢人,争端就消除;纷争和羞辱也必止息。
Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
喜爱清心的人因他嘴上的恩言,王必与他为友。
Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
耶和华的眼目眷顾聪明人,却倾败奸诈人的言语。
Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
懒惰人说:外头有狮子;我在街上就必被杀。
Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.
淫妇的口为深坑;耶和华所憎恶的,必陷在其中。
Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
愚蒙迷住孩童的心,用管教的杖可以远远赶除。
Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
欺压贫穷为要利己的,并送礼与富户的,都必缺乏。
Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
你须侧耳听受智慧人的言语,留心领会我的知识。
Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
你若心中存记,嘴上咬定,这便为美。
Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
我今日以此特特指教你,为要使你倚靠耶和华。
Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
谋略和知识的美事,我岂没有写给你吗?
Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?
要使你知道真言的实理,你好将真言回覆那打发你来的人。
Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
贫穷人,你不可因他贫穷就抢夺他的物,也不可在城门口欺压困苦人;
Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
因耶和华必为他辨屈;抢夺他的,耶和华必夺取那人的命。
Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,
好生气的人,不可与他结交;暴怒的人,不可与他来往;
Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.
恐怕你效法他的行为,自己就陷在网罗里。
Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
不要与人击掌,不要为欠债的作保。
Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
你若没有什么偿还,何必使人夺去你睡卧的床呢?
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao.
你先祖所立的地界,你不可挪移。
Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
你看见办事殷勤的人吗?他必站在君王面前,必不站在下贱人面前。