Proverbs 18

Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
与众寡合的,独自寻求心愿,并恼恨一切真智慧。
Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
愚昧人不喜爱明哲,只喜爱显露心意。
Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
恶人来,藐视随来;羞耻到,辱骂同到。
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
人口中的言语如同深水;智慧的泉源好像涌流的河水。
Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
瞻徇恶人的情面,偏断义人的案件,都为不善。
Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
愚昧人张嘴启争端,开口招鞭打。
Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
愚昧人的口自取败坏;他的嘴是他生命的网罗。
Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
传舌人的言语如同美食,深入人的心腹。
Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
做工懈怠的,与浪费人为弟兄。
Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
耶和华的名是坚固台;义人奔入便得安稳。
Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
富足人的财物是他的坚城,在他心想,犹如高墙。
Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
败坏之先,人心骄傲;尊荣以前,必有谦卑。
Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
未曾听完先回答的,便是他的愚昧和羞辱。
Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
人有疾病,心能忍耐;心灵忧伤,谁能承当呢?
Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
聪明人的心得知识;智慧人的耳求知识。
Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
人的礼物为他开路,引他到高位的人面前。
Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
先诉情由的,似乎有理;但邻舍来到,就察出实情。
Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
掣籤能止息争竞,也能解散强胜的人。
Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
弟兄结怨,劝他和好,比取坚固城还难;这样的争竞如同坚寨的门闩。
Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
人口中所结的果子,必充满肚腹;他嘴所出的,必使他饱足。
Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
生死在舌头的权下,喜爱它的,必吃它所结的果子。
Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
得著贤妻的,是得著好处,也是蒙了耶和华的恩惠。
Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
贫穷人说哀求的话;富足人用威吓的话回答。
Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
滥交朋友的,自取败坏;但有一朋友比弟兄更亲密。