Proverbs 17

Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
设筵满屋,大家相争,不如有块干饼,大家相安。
Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
仆人办事聪明,必管辖贻羞之子,又在众子中同分产业。
Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
鼎为炼银,炉为炼金;惟有耶和华熬炼人心。
Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
行恶的,留心听奸诈之言;说谎的,侧耳听邪恶之语。
Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
戏笑穷人的,是辱没造他的主;幸灾乐祸的,必不免受罚。
Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
子孙为老人的冠冕;父亲是儿女的荣耀。
Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.
愚顽人说美言本不相宜,何况君王说谎话呢?
Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
贿赂在餽送的人眼中看为宝玉,随处运动都得顺利。
Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
遮掩人过的,寻求人爱;屡次挑错的,离间密友。
Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.
一句责备话深入聪明人的心,强如责打愚昧人一百下。
Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
恶人只寻背叛,所以必有严厉的使者奉差攻击他。
Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.
宁可遇见丢崽子的母熊,不可遇见正行愚妄的愚昧人。
Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
以恶报善的,祸患必不离他的家。
Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
纷争的起头如水放开,所以,在争闹之先必当止息争竞。
Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
定恶人为义的,定义人为恶的,这都为耶和华所憎恶。
Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
愚昧人既无聪明,为何手拿价银买智慧呢?
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.
朋友乃时常亲爱,弟兄为患难而生。
Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
在邻舍面前击掌作保乃是无知的人。
Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
喜爱争竞的,是喜爱过犯;高立家门的,乃自取败坏。
Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
心存邪僻的,寻不著好处;舌弄是非的,陷在祸患中。
Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.
生愚昧子的,必自愁苦;愚顽人的父毫无喜乐。
Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
喜乐的心乃是良药;忧伤的灵使骨枯干。
Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
恶人暗中受贿赂,为要颠倒判断。
Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.
明哲人眼前有智慧;愚昧人眼望地极。
Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.
愚昧子使父亲愁烦,使母亲忧苦。
Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
刑罚义人为不善;责打君子为不义。
Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
寡少言语的,有知识;性情温良的,有聪明。
Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
愚昧人若静默不言也可算为智慧;闭口不说也可算为聪明。