Proverbs 16

Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
心中的谋算在乎人;舌头的应对由于耶和华。
Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
人一切所行的,在自己眼中看为清洁;惟有耶和华衡量人心。
Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
你所做的,要交托耶和华,你所谋的,就必成立。
Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
耶和华所造的,各适其用;就是恶人也为祸患的日子所造。
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.
凡心里骄傲的,为耶和华所憎恶;虽然连手,他必不免受罚。
Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
因怜悯诚实,罪孽得赎;敬畏耶和华的,远离恶事。
Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
人所行的,若蒙耶和华喜悦,耶和华也使他的仇敌与他和好。
Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
多有财利,行事不义,不如少有财利,行事公义。
Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
人心筹算自己的道路;惟耶和华指引他的脚步。
Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
王的嘴中有 神语,审判之时,他的口必不差错。
An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.
公道的天平和秤都属耶和华;囊中一切法码都为他所定。
Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
作恶,为王所憎恶,因国位是靠公义坚立。
Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
公义的嘴为王所喜悦;说正直话的,为王所喜爱。
Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
王的震怒如杀人的使者;但智慧人能止息王怒。
Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
王的脸光使人有生命;王的恩典好像春云时雨。
Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
得智慧胜似得金子;选聪明强如选银子。
Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
正直人的道是远离恶事;谨守己路的,是保全性命。
Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
骄傲在败坏以先;狂心在跌倒之前。
Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
心里谦卑与穷乏人来往,强如将掳物与骄傲人同分。
Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
谨守训言的,必得好处;倚靠耶和华的,便为有福。
Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
心中有智慧,必称为通达人;嘴中的甜言,加增人的学问。
Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
人有智慧就有生命的泉源;愚昧人必被愚昧惩治。
Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
智慧人的心教训他的口,又使他的嘴增长学问。
Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
良言如同蜂房,使心觉甘甜,使骨得医治。
Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
有一条路,人以为正,至终成为死亡之路。
Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.
劳力人的胃口使他劳力,因为他的口腹催逼他。
Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
匪徒图谋奸恶,嘴上彷彿有烧焦的火。
Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
乖僻人播散纷争;传舌的,离间密友。
Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
强暴人诱惑邻舍,领他走不善之道。
Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
眼目紧合的,图谋乖僻;嘴唇紧闭的,成就邪恶。
Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
白发是荣耀的冠冕,在公义的道上必能得著。
Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
不轻易发怒的,胜过勇士;治服己心的,强如取城。
Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
籤放在怀里,定事由耶和华。