Obadiah 1

Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
俄巴底亚得了耶和华的默示。论以东说:我从耶和华那里听见信息,并有使者被差往列国去,说:起来吧,一同起来与以东争战!
Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
我使你─以东在列国中为最小的,被人大大藐视。
Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
住在山穴中、居所在高处的啊,你因狂傲自欺,心里说:谁能将我拉下地去呢?
Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
你虽如大鹰高飞,在星宿之间搭窝,我必从那里拉下你来。这是耶和华说的。
Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
盗贼若来在你那里,或强盗夜间而来─你何竟被剪除─岂不偷窃直到够了呢?摘葡萄的若来到你那里,岂不剩下些葡萄呢?
Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
以扫的隐密处何竟被搜寻?他隐藏的宝物何竟被查出?
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
与你结盟的都送你上路,直到交界;与你和好的欺骗你,且胜过你;与你一同吃饭的设下网罗陷害你;在你心里毫无聪明。
Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?
耶和华说:到那日,我岂不从以东除灭智慧人?从以扫山除灭聪明人?
Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao.
提幔哪,你的勇士必惊惶,甚至以扫山的人都被杀戮剪除。
Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
因你向兄弟雅各行强暴,羞愧必遮盖你,你也必永远断绝。
Tamin'ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.
当外人掳掠雅各的财物,外邦人进入他的城门,为耶路撒冷拈阄的日子,你竟站在一旁,像与他们同伙。
Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
你兄弟遭难的日子,你不当瞪眼看著;犹大人被灭的日子,你不当因此欢乐;他们遭难的日子,你不当说狂傲的话。
Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza
我民遭灾的日子,你不当进他们的城门;他们遭灾的日子,你不当瞪眼看著他们受苦;他们遭灾的日子,你不当伸手抢他们的财物;
Aza mamitsaka eo amin'ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana.
你不当站在岔路口剪除他们中间逃脱的;他们遭难的日子,你不当将他们剩下的人交付仇敌。
Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
耶和华降罚的日子临近万国。你怎样行,他也必照样向你行;你的报应必归到你头上。
Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
你们犹大人在我圣山怎样喝了苦杯,万国也必照样常常地喝;且喝且咽,他们就归于无有。
Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.
在锡安山必有逃脱的人,那山也必成圣;雅各家必得原有的产业。
Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
雅各家必成为大火;约瑟家必为火焰;以扫家必如碎秸;火必将他烧著吞灭。以扫家必无余剩的。这是耶和华说的。
Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada.
南地的人必得以扫山;高原的人必得非利士地,也得以法莲地和撒马利亚地;便雅悯人必得基列。
Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo.
在迦南人中被掳的以色列众人必得地直到撒勒法;在西法拉中被掳的耶路撒冷人必得南地的城邑。
Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1
必有拯救者上到锡安山,审判以扫山;国度就归耶和华了。