Numbers 8

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
「你告诉亚伦说:点灯的时候,七盏灯都要向灯台前面发光。」
Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
亚伦便这样行。他点灯台上的灯,使灯向前发光,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
这灯台的作法是用金子锤出来的,连座带花都是锤出来的。摩西制造灯台,是照耶和华所指示的样式。
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
「你从以色列人中选出利未人来,洁净他们。
Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
洁净他们当这样行:用除罪水弹在他们身上,又叫他们用剃头刀刮全身,洗衣服,洁净自己。
Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
然后叫他们取一只公牛犊,并同献的素祭,就是调油的细面;你要另取一只公牛犊作赎罪祭。
Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
将利未人奉到会幕前,招聚以色列全会众。
Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;
将利未人奉到耶和华面前,以色列人要按手在他们头上。
ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
亚伦也将他们奉到耶和华面前,为以色列人当作摇祭,使他们好办耶和华的事。
Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
利未人要按手在那两只牛的头上;你要将一只作赎罪祭,一只作燔祭,献给耶和华,为利未人赎罪。
Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.
你也要使利未人站在亚伦和他儿子面前,将他们当作摇祭奉给耶和华。
Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
「这样,你从以色列人中将利未人分别出来,利未人便要归我。
Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
此后利未人要进去办会幕的事,你要洁净他们,将他们当作摇祭奉上;
fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
因为他们是从以色列人中全然给我的,我拣选他们归我,是代替以色列人中一切头生的。
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
以色列人中一切头生的,连人带牲畜,都是我的。我在埃及地击杀一切头生的那天,将他们分别为圣归我。
Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
我拣选利未人代替以色列人中一切头生的。
Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
我从以色列人中将利未人当作赏赐给亚伦和他的儿子,在会幕中办以色列人的事,又为以色列人赎罪,免得他们挨近圣所,有灾殃临到他们中间。」
Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
摩西、亚伦,并以色列全会众便向利未人如此行。凡耶和华指著利未人所吩咐摩西的,以色列人就向他们这样行。
Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
于是利未人洁净自己,除了罪,洗了衣服;亚伦将他们当作摇祭奉到耶和华面前,又为他们赎罪,洁净他们。
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
然后利未人进去,在亚伦和他儿子面前,在会幕中办事。耶和华指著利未人怎样吩咐摩西,以色列人就怎样向他们行了。
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;
「利未人是这样:从二十五岁以外,他们要前来任职,办会幕的事。
fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
到了五十岁要停工退任,不再办事,
kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
只要在会幕里,和他们的弟兄一同伺候,谨守所吩咐的,不再办事了。至于所吩咐利未人的,你要这样向他们行。」