Numbers 32

Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,
流便子孙和迦得子孙的牲畜极其众多;他们看见雅谢地和基列地是可牧放牲畜之地,
dia avy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe:
就来见摩西和祭司以利亚撒,并会众的首领,说:
Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
「亚大录、底本、雅谢、宁拉、希实本、以利亚利、示班、尼波、比稳,
ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;
就是耶和华在以色列会众前面所攻取之地,是可牧放牲畜之地,你仆人也有牲畜」;
dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.
又说:「我们若在你眼前蒙恩,求你把这地给我们为业,不要领我们过约旦河。」
Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
摩西对迦得子孙和流便子孙说:「难道你们的弟兄去打仗,你们竟坐在这里吗?
Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy?
你们为何使以色列人灰心丧胆、不过去进入耶和华所赐给他们的那地呢?
Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
我先前从加低斯‧巴尼亚打发你们先祖去窥探那地,他们也是这样行。
fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy.
他们上以实各谷,去窥探那地回来的时候,使以色列人灰心丧胆,不进入耶和华所赐给他们的地。
Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
当日,耶和华的怒气发作,就起誓说:
Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;
凡从埃及上来、二十岁以外的人断不得看见我对亚伯拉罕、以撒、雅各起誓应许之地,因为他们没有专心跟从我。
afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.
惟有基尼洗族耶孚尼的儿子迦勒和嫩的儿子约书亚可以看见,因为他们专心跟从我。
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah.
耶和华的怒气向以色列人发作,使他们在旷野飘流四十年,等到在耶和华眼前行恶的那一代人都消灭了。
Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
谁知,你们起来接续先祖,增添罪人的数目,使耶和华向以色列大发烈怒。
Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
你们若退后不跟从他,他还要把以色列人撇在旷野,便是你们使这众民灭亡。」
Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;
两支派的人挨近摩西,说:「我们要在这里为牲畜垒圈,为妇人孩子造城。
fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.
我们自己要带兵器行在以色列人的前头,好把他们领到他们的地方;但我们的妇人孩子,因这地居民的缘故,要住在坚固的城内。
Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.
我们不回家,直等到以色列人各承受自己的产业。
Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana atỳ ny zara-taninay.
我们不和他们在约旦河那边一带之地同受产业,因为我们的产业是坐落在约旦河东边这里。」
Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika,
摩西对他们说:「你们若这样行,在耶和华面前带著兵器出去打仗,
ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
所有带兵器的人都要在耶和华面前过约旦河,等他赶出他的仇敌,
ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.
那地被耶和华制伏了,然后你们可以回来,向耶和华和以色列才为无罪,这地也必在耶和华面前归你们为业。
Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
倘若你们不这样行,就得罪耶和华,要知道你们的罪必追上你们。
Manaova tanàna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
如今你们口中所出的,只管去行,为你们的妇人孩子造城,为你们的羊群垒圈。」
Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
迦得子孙和流便子孙对摩西说:「仆人要照我主所吩咐的去行。
ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;
我们的妻子、孩子、羊群,和所有的牲畜都要留在基列的各城。
fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
但你的仆人,凡带兵器的,都要照我主所说的话,在耶和华面前过去打仗。」
Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo
于是,摩西为他们嘱咐祭司以利亚撒和嫩的儿子约书亚,并以色列众支派的族长,说:
ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
「迦得子孙和流便子孙,凡带兵器在耶和华面前去打仗的,若与你们一同过约旦河,那地被你们制伏了,你们就要把基列地给他们为业。
fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
倘若他们不带兵器和你们一同过去,就要在迦南地你们中间得产业。」
Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:
迦得子孙和流便子孙回答说:「耶和华怎样吩咐仆人,仆人就怎样行。
Izabay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
我们要带兵器,在耶和华面前过去,进入迦南地,只是约旦河这边、我们所得为业之地仍归我们。」
Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana dia ny tany mbamin'ny tanànany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.
摩西将亚摩利王西宏的国和巴珊王噩的国,连那地和周围的城邑,都给了迦得子孙和流便子孙,并约瑟的儿子玛拿西半个支派。
Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera
迦得子孙建造底本、亚他录、亚罗珥、
sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
亚他录‧朔反、雅谢、约比哈、
sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.
伯宁拉、伯‧哈兰,都是坚固城。他们又垒羊圈。
Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
流便子孙建造希实本、以利亚利、基列亭、
sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
尼波、巴力‧免、西比玛(尼波、巴力免,名字是改了的),又给他们所建造的城另起别名。
Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
玛拿西的儿子玛吉,他的子孙往基列去,占了那地,赶出那里的亚摩利人。
Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.
摩西将基列赐给玛拿西的儿子玛吉,他子孙就住在那里。
Ary Jaira, zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaira.
玛拿西的子孙睚珥去占了基列的村庄,就称这些村庄为哈倭特‧睚珥。
Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
挪巴去占了基纳和基纳的乡村,就按自己的名称基纳为挪巴。