Numbers 24

Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
巴兰见耶和华喜欢赐福与以色列,就不像前两次去求法术,却面向旷野。
Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.
巴兰举目,看见以色列人照著支派居住。 神的灵就临到他身上,
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
他便题起诗歌说:比珥的儿子巴兰说,眼目闭住(闭住或作:睁开)的人说,
Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
得听 神的言语,得见全能者的异象,眼目睁开而仆倒的人说:
Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
雅各啊,你的帐棚何等华美!以色列啊,你的帐幕何其华丽!
Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
如接连的山谷,如河旁的园子,如耶和华所栽的沉香树,如水边的香柏木。
Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
水要从他的桶里流出;种子要撒在多水之处。他的王必超过亚甲;他的国必要振兴。
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany.
 神领他出埃及;他似乎有野牛之力。他要吞喫敌国,折断他们的骨头,用箭射透他们。
Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
他蹲如公狮,卧如母狮,谁敢惹他?凡给你祝福的,愿他蒙福;凡咒诅你的,愿他受咒诅。
Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
巴勒向巴兰生气,就拍起手来,对巴兰说:「我召你来为我咒诅仇敌,不料,你这三次竟为他们祝福。
Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
如今你快回本地去吧!我想使你得大尊荣,耶和华却阻止你不得尊荣。」
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
巴兰对巴勒说:「我岂不是对你所差遣到我那里的使者说:
Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?
『巴勒就是将他满屋的金银给我,我也不得越过耶和华的命,凭自己的心意行好行歹。耶和华说什么,我就要说什么?』
Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
「现在我要回本族去。你来,我告诉你这民日后要怎样待你的民。」
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
他就题起诗歌说:比珥的儿子巴兰说:眼目闭住(闭住或作:睁开)的人说,
Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
得听 神的言语,明白至高者的意旨,看见全能者的异象,眼目睁开而仆倒的人说:
Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
我看他却不在现时;我望他却不在近日。有星要出于雅各,有杖要兴于以色列,必打破摩押的四角,毁坏扰乱之子。
Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
他必得以东为基业,又得仇敌之地西珥为产业;以色列必行事勇敢。
Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
有一位出于雅各的,必掌大权;他要除灭城中的余民。
Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
巴兰观看亚玛力,就题起诗歌说:亚玛力原为诸国之首,但他终必沉沦。
Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin'ny vatolampy ny akaninao.
巴兰观看基尼人,就题起诗歌说:你的住处本是坚固;你的窝巢做在巖穴中。
Kanefa ho ringana Kaina, alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.
然而基尼必至衰微,直到亚述把你掳去。
Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
巴兰又题起诗歌说:哀哉! 神行这事,谁能得活?
Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
必有人乘船从基提界而来,苦害亚述,苦害希伯;他也必至沉沦。
Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.
于是巴兰起来,回他本地去;巴勒也回去了。