Numbers 23

Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
巴兰对巴勒说:「你在这里给我筑七座坛,为我预备七只公牛,七只公羊。」
Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
巴勒照巴兰的话行了。巴勒和巴兰在每座坛上献一只公牛,一只公羊。
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
巴兰对巴勒说:「你站在你的燔祭旁边,我且往前去,或者耶和华来迎见我。他指示我什么,我必告诉你。」于是巴兰上一净光的高处。
Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.
 神迎见巴兰;巴兰说:「我预备了七座坛,在每座坛上献了一只公牛,一只公羊。」
Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.
耶和华将话传给巴兰,又说:「你回到巴勒那里,要如此如此说。」
Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.
他就回到巴勒那里,见他同摩押的使臣都站在燔祭旁边。
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
巴兰便题起诗歌说:巴勒引我出亚兰,摩押王引我出东山,说:来啊,为我咒诅雅各;来啊,怒骂以色列。
Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?
 神没有咒诅的,我焉能咒诅?耶和华没有怒骂的,我焉能怒骂?
Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
我从高峰看他,从小山望他;这是独居的民,不列在万民中。
Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
谁能数点雅各的尘土?谁能计算以色列的四分之一?我愿如义人之死而死;我愿如义人之终而终。
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
巴勒对巴兰说:「你向我做的是什么事呢?我领你来咒诅我的仇敌,不料,你竟为他们祝福。」
Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?
他回答说:「耶和华传给我的话,我能不谨慎传说吗?」
Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
巴勒说:「求你同我往别处去,在那里可以看见他们;你不能全看见,只能看见他们边界上的人。在那里要为我咒诅他们。」
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
于是领巴兰到了琐腓田,上了毘斯迦山顶,筑了七座坛;每座坛上献一只公牛,一只公羊。
Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah.
巴兰对巴勒说:「你站在这燔祭旁边,等我往那边去迎见耶和华。」
Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.
耶和华临到巴兰那里,将话传给他;又说:「你回到巴勒那里,要如此如此说。」
Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?
他就回到巴勒那里,见他站在燔祭旁边;摩押的使臣也和他在一处。巴勒问他说:「耶和华说了什么话呢?」
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;
巴兰就题诗歌说:巴勒,你起来听;西拨的儿子,你听我言。
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
 神非人,必不致说谎,也非人子,必不致后悔。他说话岂不照著行呢?他发言岂不要成就呢?
Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
我奉命祝福; 神也曾赐福,此事我不能翻转。
Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.
他未见雅各中有罪孽,也未见以色列中有奸恶。耶和华─他的 神和他同在;有欢呼王的声音在他们中间。
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
 神领他们出埃及;他们似乎有野牛之力。
Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah.
断没有法术可以害雅各,也没有占卜可以害以色列。现在必有人论及雅各,就是论及以色列说: 神为他行了何等的大事!
Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.
这民起来,彷彿母狮,挺身,好像公狮,未曾喫野食,未曾喝被伤者之血,决不躺卧。
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
巴勒对巴兰说:「你一点不要咒诅他们,也不要为他们祝福。」
Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?
巴兰回答巴勒说:「我岂不是告诉你说『凡耶和华所说的,我必须遵行』吗?」
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
巴勒对巴兰说:「来吧,我领你往别处去,或者 神喜欢你在那里为我咒诅他们。」
Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.
巴勒就领巴兰到那下望旷野的毗珥山顶上。
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
巴兰对巴勒说:「你在这里为我筑七座坛,又在这里为我预备七只公牛,七只公羊。」
Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
巴勒就照巴兰的话行,在每座坛上献一只公牛,一只公羊。