Numbers 14

Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
当下,全会众大声喧嚷;那夜百姓都哭号。
Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!
以色列众人向摩西、亚伦发怨言;全会众对他们说:「巴不得我们早死在埃及地,或是死在这旷野。
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
耶和华为什么把我们领到那地,使我们倒在刀下呢?我们的妻子和孩子必被掳掠。我们回埃及去岂不好么?」
Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
众人彼此说:「我们不如立一个首领回埃及去吧!」
Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
摩西、亚伦就俯伏在以色列全会众面前。
Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
窥探地的人中,嫩的儿子约书亚和耶孚尼的儿子迦勒撕裂衣服,
ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
对以色列全会众说:「我们所窥探、经过之地是极美之地。
Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
耶和华若喜悦我们,就必将我们领进那地,把地赐给我们;那地原是流奶与蜜之地。
Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
但你们不可背叛耶和华,也不要怕那地的居民;因为他们是我们的食物,并且荫庇他们的已经离开他们。有耶和华与我们同在,不要怕他们!」
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
但全会众说:「拿石头打死他们二人。」忽然,耶和华的荣光在会幕中向以色列众人显现。
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
耶和华对摩西说:「这百姓藐视我要到几时呢?我在他们中间行了这一切神迹,他们还不信我要到几时呢?
Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
我要用瘟疫击杀他们,使他们不得承受那地,叫你的后裔成为大国,比他们强胜。」
Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
摩西对耶和华说:「埃及人必听见这事;因为你曾施展大能,将这百姓从他们中间领上来。
ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
埃及人要将这事传给迦南地的居民;那民已经听见你─耶和华是在这百姓中间;因为你面对面被人看见,有你的云彩停在他们以上。你日间在云柱中,夜间在火柱中,在他们前面行。
Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
如今你若把这百姓杀了,如杀一人,那些听见你名声的列邦必议论说:
Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
『耶和华因为不能把这百姓领进他向他们起誓应许之地,所以在旷野把他们杀了。』
Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
现在求主大显能力,照你所说过的话说:
Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
『耶和华不轻易发怒,并有丰盛的慈爱,赦免罪孽和过犯;万不以有罪的为无罪,必追讨他的罪,自父及子,直到三、四代。』
Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
求你照你的大慈爱赦免这百姓的罪孽,好像你从埃及到如今常赦免他们一样。」
Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
耶和华说:「我照著你的话赦免了他们。
Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
然我指著我的永生起誓,遍地要被我的荣耀充满。
ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
这些人虽看见我的荣耀和我在埃及与旷野所行的神迹,仍然试探我这十次,不听从我的话,
dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
他们断不得看见我向他们的祖宗所起誓应许之地。凡藐视我的,一个也不得看见;
Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
惟独我的仆人迦勒,因他另有一个心志,专一跟从我,我就把他领进他所去过的那地;他的后裔也必得那地为业。
Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
亚玛力人和迦南人住在谷中,明天你们要转回,从红海的路往旷野去。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和华对摩西、亚伦说:
Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.
「这恶会众向我发怨言,我忍耐他们要到几时呢?以色列人向我所发的怨言,我都听见了。
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
你们告诉他们,耶和华说:『我指著我的永生起誓,我必要照你们达到我耳中的话待你们。
Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
你们的尸首必倒在这旷野,并且你们中间凡被数点、从二十岁以外、向我发怨言的,
dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.
必不得进我起誓应许叫你们住的那地;惟有耶孚尼的儿子迦勒和嫩的儿子约书亚才能进去。
Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
但你们的妇人孩子,就是你们所说、要被掳掠的,我必把他们领进去,他们就得知你们所厌弃的那地。
Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;
至于你们,你们的尸首必倒在这旷野;
ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
你们的儿女必在旷野飘流四十年,担当你们淫行的罪,直到你们的尸首在旷野消灭。
Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
按你们窥探那地的四十日,一年顶一日,你们要担当罪孽四十年,就知道我与你们疏远了,
Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
我─耶和华说过,我总要这样待这一切聚集敌我的恶会众;他们必在这旷野消灭,在这里死亡。』」
Ary ny lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
摩西所打发、窥探那地的人回来,报那地的恶信,叫全会众向摩西发怨言,
dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
这些报恶信的人都遭瘟疫,死在耶和华面前。
Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
其中惟有嫩的儿子约书亚和耶孚尼的儿子迦勒仍然存活。
Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.
摩西将这些话告诉以色列众人,他们就甚悲哀。
Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.
清早起来,上山顶去,说:「我们在这里,我们有罪了;情愿上耶和华所应许的地方去。」
Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
摩西说:「你们为何违背耶和华的命令呢?这事不能顺利了。
Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
不要上去;因为耶和华不在你们中间,恐怕你们被仇敌杀败了。
fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
亚玛力人和迦南人都在你们面前,你们必倒在刀下;因你们退回不跟从耶和华,所以他必不与你们同在。」
Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.
他们却擅敢上山顶去,然而耶和华的约柜和摩西没有出营。
Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
于是亚玛力人和住在那山上的迦南人都下来击打他们,把他们杀退了,直到何珥玛。