Nehemiah 7

Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
城墙修完,我安了门扇,守门的、歌唱的,和利未人都已派定。
dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
我就派我的弟兄哈拿尼和营楼的宰官哈拿尼雅管理耶路撒冷;因为哈拿尼雅是忠信的,又敬畏 神过于众人。
Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
我吩咐他们说:「等到太阳上升才可开耶路撒冷的城门;人尚看守的时候就要关门上闩;也当派耶路撒冷的居民各按班次看守自己房屋对面之处。」
Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
城是广大,其中的民却稀少,房屋还没有建造。
Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
我的 神感动我心,招聚贵冑、官长,和百姓,要照家谱计算。我找著第一次上来之人的家谱,其上写著:
Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
巴比伦王尼布甲尼撒从前掳去犹大省的人,现在他们的子孙从被掳到之地回耶路撒冷和犹大,各归本城。
dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
他们是同著所罗巴伯、耶书亚、尼希米、亚撒利雅、拉米、拿哈玛尼、末底改、必珊、米斯毗列、比革瓦伊、尼宏、巴拿回来的。
Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
以色列人民的数目记在下面:巴录的子孙二千一百七十二名;
ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
示法提雅的子孙三百七十二名;
ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
亚拉的子孙六百五十二名;
ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
巴哈摩押的后裔,就是耶书亚和约押的子孙二千八百一十八名;
ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
以拦的子孙一千二百五十四名;
ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
萨土的子孙八百四十五名;
ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
萨改的子孙七百六十名;
ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
宾内的子孙六百四十八名;
ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
比拜的子孙六百二十八名;
ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
押甲的子孙二千三百二十二名;
ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
亚多尼干的子孙六百六十七名;
ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
比革瓦伊的子孙二千零六十七名;
ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
亚丁的子孙六百五十五名;
ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
亚特的后裔,就是希西家的子孙九十八名;
ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
哈顺的子孙三百二十八名;
ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
比赛的子孙三百二十四名;
ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato;
哈拉的子孙一百一十二名;
ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
基遍人九十五名;
Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
伯利恒人和尼陀法人共一百八十八名;
ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
亚拿突人一百二十八名;
ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
伯‧亚斯玛弗人四十二名;
ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
基列‧耶琳人、基非拉人、比录人共七百四十三名;
ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
拉玛人和迦巴人共六百二十一名;
ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
默玛人一百二十二名;
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
伯特利人和艾人共一百二十三名;
ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
别的尼波人五十二名;
ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
别的以拦子孙一千二百五十四名;
ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
哈琳的子孙三百二十名;
ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
耶利哥人三百四十五名;
ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
罗德人、哈第人、阿挪人共七百二十一名;
ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
西拿人三千九百三十名。
Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
祭司:耶书亚家,耶大雅的子孙九百七十三名;
ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
音麦的子孙一千零五十二名;
ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
巴施户珥的子孙一千二百四十七名;
ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
哈琳的子孙一千零一十七名。
Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
利未人:何达威的后裔,就是耶书亚和甲篾的子孙七十四名。
Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
歌唱的:亚萨的子孙一百四十八名。
Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
守门的:沙龙的子孙、亚特的子孙、达们的子孙、亚谷的子孙、哈底大的子孙、朔拜的子孙,共一百三十八名。
Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
尼提宁(就是殿役):西哈的子孙、哈苏巴的子孙、答巴俄的子孙、
ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona,
基绿的子孙、西亚的子孙、巴顿的子孙、
ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay,
利巴拿的子孙、哈迦巴的子孙、萨买的子孙、
ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara,
哈难的子孙、吉德的子孙、迦哈的子孙、
ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda,
利亚雅的子孙、利汛的子孙、尼哥大的子孙、
ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea,
迦散的子孙、乌撒的子孙、巴西亚的子孙、
ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
比赛的子孙、米乌宁的子孙、尼普心的子孙、
ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora,
巴卜的子孙、哈古巴的子孙、哈忽的子孙、
ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
巴洗律的子孙、米希大的子孙、哈沙的子孙、
ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
巴柯的子孙、西西拉的子孙、答玛的子孙、
ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
尼细亚的子孙、哈提法的子孙。
Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida,
所罗门仆人的后裔,就是琐太的子孙、琐斐列的子孙、比路大的子孙、
ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
雅拉的子孙、达昆的子孙、吉德的子孙、
ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.
示法提雅的子孙、哈替的子孙、玻黑列哈斯巴音的子孙、亚们的子孙。
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
尼提宁和所罗门仆人的后裔共三百九十二名。
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
从特米拉、特哈萨、基绿、亚顿、音麦上来的,不能指明他们的宗族谱系是以色列人不是;
ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
他们是第莱雅的子孙、多比雅的子孙、尼哥大的子孙,共六百四十二名。
Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
祭司中,哈巴雅的子孙、哈哥斯的子孙、巴西莱的子孙;因为他们的先祖娶了基列人巴西莱的女儿为妻,所以起名叫巴西莱。
Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
这三家的人在族谱之中寻查自己的谱系,却寻不著,因此算为不洁,不准供祭司的职任。
Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
省长对他们说:「不可吃至圣的物,直到有用乌陵和土明决疑的祭司兴起来。」
Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
会众共有四万二千三百六十名。
afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
此外,还有他们的仆婢七千三百三十七名,又有歌唱的男女二百四十五名。
ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
他们有马七百三十六匹,骡子二百四十五匹,
ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
骆驼四百三十五只,驴六千七百二十匹。
Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.
有些族长为工程捐助。省长捐入库中的金子一千达利克,碗五十个,祭司的礼服五百三十件。
Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa.
又有族长捐入工程库的金子二万达利克,银子二千二百弥拿。
Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
其余百姓所捐的金子二万达利克,银子二千弥拿,祭司的礼服六十七件。
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
于是祭司、利未人、守门的、歌唱的、民中的一些人、尼提宁,并以色列众人,各住在自己的城里。