Nehemiah 13

Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
当日,人念摩西的律法书给百姓听,遇见书上写著说,亚扪人和摩押人永不可入 神的会;
satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
因为他们没有拿食物和水来迎接以色列人,且雇了巴兰咒诅他们,但我们的 神使那咒诅变为祝福。
Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
以色列民听见这律法,就与一切闲杂人绝交
Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,
先是蒙派管理我们 神殿中库房的祭司以利亚实与多比雅结亲,
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
便为他预备一间大屋子,就是从前收存素祭、乳香、器皿,和照命令供给利未人、歌唱的、守门的五谷、新酒,和油的十分之一,并归祭司举祭的屋子。
Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
那时我不在耶路撒冷;因为巴比伦王亚达薛西三十二年,我回到王那里。过了多日,我向王告假。
ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
我来到耶路撒冷,就知道以利亚实为多比雅在 神殿的院内预备屋子的那件恶事。
Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
我甚恼怒,就把多比雅的一切家具从屋里都抛出去,
Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
吩咐人洁净这屋子,遂将 神殿的器皿和素祭、乳香又搬进去。
Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
我见利未人所当得的分无人供给他们,甚至供职的利未人与歌唱的俱各奔回自己的田地去了。
Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
我就斥责官长说:「为何离弃 神的殿呢?」我便招聚利未人,使他们照旧供职。
Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
犹大众人就把五谷、新酒,和油的十分之一送入库房。
Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
我派祭司示利米雅、文士撒督,和利未人毗大雅作库官管理库房;副官是哈难。哈难是撒刻的儿子;撒刻是玛他尼的儿子。这些人都是忠信的,他们的职分是将所供给的分给他们的弟兄。
Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.
我的 神啊,求你因这事记念我,不要涂抹我为 神的殿与其中的礼节所行的善。
Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.
那些日子,我在犹大见有人在安息日醡酒(原文是踹酒醡),搬运禾捆驮在驴上,又把酒、葡萄、无花果,和各样的担子在安息日担入耶路撒冷,我就在他们卖食物的那日警戒他们。
Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;
又有推罗人住在耶路撒冷;他们把鱼和各样货物运进来,在安息日卖给犹大人。
Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
我就斥责犹大的贵冑说:「你们怎么行这恶事犯了安息日呢?
Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
从前你们列祖岂不是这样行,以致我们 神使一切灾祸临到我们和这城吗?现在你们还犯安息日,使忿怒越发临到以色列!」
Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro Sabata.
在安息日的前一日,耶路撒冷城门有黑影的时候,我就吩咐人将门关锁,不过安息日不准开放。我又派我几个仆人管理城门,免得有人在安息日担什么担子进城。
Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
于是商人和贩卖各样货物的,一两次住宿在耶路撒冷城外。
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.
我就警戒他们说:「你们为何在城外住宿呢?若再这样,我必下手拿办你们。」从此以后,他们在安息日不再来了。
Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny famindram-ponao.
我吩咐利未人洁净自己,来守城门,使安息日为圣。我的 神啊,求你因这事记念我,照你的大慈爱怜恤我。
Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
那些日子,我也见犹大人娶了亚实突、亚扪、摩押的女子为妻。
ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
他们的儿女说话,一半是亚实突的话,不会说犹大的话,所说的是照著各族的方言。
Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
我就斥责他们,咒诅他们,打了他们几个人,拔下他们的头发,叫他们指著 神起誓,必不将自己的女儿嫁给外邦人的儿子,也不为自己和儿子娶他们的女儿。
Tsy izany va no nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa firenena.
我又说:「以色列王所罗门不是在这样的事上犯罪吗?在多国中并没有一王像他,且蒙他 神所爱, 神立他作以色列全国的王;然而连他也被外邦女子引诱犯罪。
Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
如此,我岂听你们行这大恶,娶外邦女子干犯我们的 神呢?」
Ary vinanton'i Sanbala Horonita ny anankiray amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
大祭司以利亚实的孙子、耶何耶大的一个儿子是和伦人参巴拉的女婿,我就从我这里把他赶出去。
Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana sy ny Levita.
我的 神啊,求你记念他们的罪;因为他们玷污了祭司的职任,违背你与祭司利未人所立的约。
Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,
这样,我洁净他们,使他们离绝一切外邦人,派定祭司和利未人的班次,使他们各尽其职。
ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.
我又派百姓按定期献柴和初熟的土产。我的 神啊,求你记念我,施恩与我。