Micah 4

Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
末后的日子,耶和华殿的山必坚立,超乎诸山,高举过于万岭;万民都要流归这山。
Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
必有许多国的民前往,说:来吧,我们登耶和华的山,奔雅各 神的殿。主必将他的道教训我们;我们也要行他的路。因为训诲必出于锡安;耶和华的言语必出于耶路撒冷。
Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
他必在多国的民中施行审判,为远方强盛的国断定是非。他们要将刀打成犁头,把枪打成镰刀。这国不举刀攻击那国;他们也不再学习战事。
Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
人人都要坐在自己葡萄树下和无花果树下,无人惊吓。这是万军之耶和华亲口说的。
Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
万民各奉己神的名而行;我们却永永远远奉耶和华─我们 神的名而行。
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;
耶和华说:到那日,我必聚集瘸腿的,招聚被赶出的和我所惩治的。
Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
我必使瘸腿的为余剩之民,使赶到远方的为强盛之民。耶和华要在锡安山作王治理他们,从今直到永远。
Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany. Tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan' i Jerosalema zanakavavy.
你这羊群的高台、锡安城(原文是女子)的山哪,从前的权柄─就是耶路撒冷民(原文是女子)的国权─必归与你。
Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
现在你为何大声哭号呢?疼痛抓住你彷彿产难的妇人,是因你中间没有君王吗?你的谋士灭亡了吗?
Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
锡安的民(原文是女子)哪,你要疼痛劬劳,彷彿产难的妇人;因为你必从城里出来,住在田野,到巴比伦去。在那里要蒙解救;在那里耶和华必救赎你脱离仇敌的手。
Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.
现在有许多国的民聚集攻击你,说:愿锡安被玷污!愿我们亲眼见她遭报!
Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
他们却不知道耶和华的意念,也不明白他的筹划。他聚集他们,好像把禾捆聚到禾场一样。
Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
锡安的民(原文是女子)哪,起来踹谷吧!我必使你的角成为铁,使你的蹄成为铜。你必打碎多国的民,将他们的财献与耶和华,将他们的货献与普天下的主。