Matthew 9

Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
耶稣上了船,渡过海,来到自己的城里。
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
有人用褥子抬著一个瘫子到耶稣跟前来。耶稣见他们的信心,就对瘫子说:小子,放心吧!你的罪赦了。
Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
有几个文士心里说:这个人说僭妄的话了。
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
耶稣知道他们的心意,就说:你们为什么心里怀著恶念呢?
Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
或说:你的罪赦了,或说:你起来行走,那一样容易呢?
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
但要叫你们知道,人子在地上有赦罪的权柄;就对瘫子说:起来!拿你的褥子回家去吧。
Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
那人就起来,回家去了。
Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
众人看见都惊奇,就归荣耀与 神,因为他将这样的权柄赐给人。
Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.
耶稣从那里往前走,看见一个人名叫马太,坐在税关上,就对他说:你跟从我来。他就起来跟从了耶稣。
Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.
耶稣在屋里坐席的时候,有好些税吏和罪人来,与耶稣和他的门徒一同坐席。
Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
法利赛人看见,就对耶稣的门徒说:你们的先生为什么和税吏并罪人一同吃饭呢?
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
耶稣听见,就说:康健的人用不著医生,有病的人才用得著。
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
经上说:我喜爱怜恤,不喜爱祭祀。这句话的意思,你们且去揣摩。我来本不是召义人,乃是召罪人。
Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
那时,约翰的门徒来见耶稣,说:我们和法利赛人常常禁食,你的门徒倒不禁食,这是为什么呢?
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.
耶稣对他们说:新郎和陪伴之人同在的时候,陪伴之人岂能哀恸呢?但日子将到,新郎要离开他们,那时候他们就要禁食。
Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
没有人把新布补在旧衣服上;因为所补上的反带坏了那衣服,破的就更大了。
Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
也没有人把新酒装在旧皮袋里;若是这样,皮袋就裂开,酒漏出来,连皮袋也坏了。惟独把新酒装在新皮袋里,两样就都保全了。
Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
耶稣说这话的时候,有一个管会堂的来拜他,说:我女儿刚才死了,求你去按手在他身上,他就必活了。
Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.
耶稣便起来跟著他去;门徒也跟了去。
Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.
有一个女人,患了十二年的血漏,来到耶稣背后,摸他的衣裳䍁子;
Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.
因为他心里说:我只摸他的衣裳,就必痊癒。
Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.
耶稣转过来,看见她,就说:女儿,放心!你的信救了你。从那时候,女人就痊癒了。
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
耶稣到了管会堂的家里,看见有吹手,又有许多人乱嚷,
dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
就说:退去吧!这闺女不是死了,是睡著了。他们就嗤笑他。
Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
众人既被撵出,耶稣就进去,拉著闺女的手,闺女便起来了。
Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
于是这风声传遍了那地方。
Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!
耶稣从那里往前走,有两个瞎子跟著他,喊叫说:大卫的子孙,可怜我们吧!
Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
耶稣进了房子,瞎子就来到他跟前。耶稣说:你们信我能作这事吗?他们说:主啊,我们信。
Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
耶稣就摸他们的眼睛,说:照著你们的信给你们成全了吧。
Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.
他们的眼睛就开了。耶稣切切的嘱咐他们说:你们要小心,不可叫人知道。
Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
他们出去,竟把他的名声传遍了那地方。
Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.
他们出去的时候,有人将鬼所附的一个哑巴带到耶稣跟前来。
Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
鬼被赶出去,哑巴就说出话来。众人都希奇,说:在以色列中,从来没有见过这样的事。
Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
法利赛人却说:他是靠著鬼王赶鬼。
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
耶稣走遍各城各乡,在会堂里教训人,宣讲天国的福音,又医治各样的病症。
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
他看见许多的人,就怜悯他们;因为他们困苦流离,如同羊没有牧人一般。
Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
于是对门徒说:要收的庄稼多,作工的人少。
Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
所以,你们当求庄稼的主打发工人出去收他的庄稼。