Matthew 28

Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
安息日将尽,七日的头一日,天快亮的时候,抹大拉的马利亚和那个马利亚来看坟墓。
Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
忽然,地大震动;因为有主的使者从天上下来,把石头滚开,坐在上面。
Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
他的像貌如同闪电,衣服洁白如雪。
ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
看守的人就因他吓得浑身乱战,甚至和死人一样。
Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.
天使对妇女说:不要害怕!我知道你们是寻找那钉十字架的耶稣。
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.
他不在这里,照他所说的,已经复活了。你们来看安放主的地方。
Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
快去告诉他的门徒,说他从死里复活了,并且在你们以先往加利利去,在那里你们要见他。看哪,我已经告诉你们了。
Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.
妇女们就急忙离开坟墓,又害怕,又大大的欢喜,跑去要报给他的门徒。
Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
忽然,耶稣遇见他们,说:愿你们平安!他们就上前抱住他的脚拜他。
Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
耶稣对他们说:不要害怕!你们去告诉我的弟兄,叫他们往加利利去,在那里必见我。
Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
她们去的时候,看守的兵有几个进城去,将所经历的事都报给祭司长。
Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
祭司长和长老聚集商议,就拿许多银钱给兵丁,说:
ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;
你们要这样说:夜间我们睡觉的时候,他的门徒来,把他偷去了。
ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
倘若这话被巡抚听见,有我们劝他,保你们无事。
Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
兵丁受了银钱,就照所嘱咐他们的去行。这话就传说在犹太人中间,直到今日。
Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.
十一个门徒往加利利去,到了耶稣约定的山上。
Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
他们见了耶稣就拜他,然而还有人疑惑。
Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
耶稣进前来,对他们说:天上地下所有的权柄都赐给我了。
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
所以,你们要去,使万民作我的门徒,奉父、子、圣灵的名给他们施洗(或作:给他们施洗,归于父、子、圣灵的名)。
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
凡我所吩咐你们的,都教训他们遵守,我就常与你们同在,直到世界的末了。