Matthew 26

Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
耶稣说完了这一切的话,就对门徒说:
Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
你们知道,过两天是逾越节,人子将要被交给人,钉在十字架上。
Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
那时,祭司长和民间的长老聚集在大祭司称为该亚法的院里。
Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
大家商议要用诡计拿住耶稣,杀他,
kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
只是说:当节的日子不可,恐怕民间生乱。
Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,
耶稣在伯大尼长大痲疯的西门家里,
dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
有一个女人拿著一玉瓶极贵的香膏来,趁耶稣坐席的时候,浇在他的头上。
Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
门徒看见就很不喜悦,说:何用这样的枉费呢!
Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
这香膏可以卖许多钱,赒济穷人。
Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
耶稣看出他们的意思,就说:为什么难为这女人呢?他在我身上做的是一件美事。
Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
因为常有穷人和你们同在;只是你们不常有我。
Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
她将这香膏浇在我身上是为我安葬做的。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
我实在告诉你们,普天之下,无论在什么地方传这福音,也要述说这女人所行的,作个纪念。
Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
当下,十二门徒里有一个称为加略人犹大的,去见祭司长,
ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
说:我把他交给你们,你们愿意给我多少钱?他们就给了他三十块钱。
Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
从那时候,他就找机会要把耶稣交给他们。
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
除酵节的第一天,门徒来问耶稣说:你吃逾越节的筵席,要我们在那里给你预备?
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
耶稣说:你们进城去,到某人那里,对他说:夫子说:我的时候快到了,我与门徒要在你家里守逾越节。
Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
门徒遵著耶稣所吩咐的就去预备了逾越节的筵席。
Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.
到了晚上,耶稣和十二个门徒坐席。
Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
正吃的时候,耶稣说:我实在告诉你们,你们中间有一个人要卖我了。
Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
他们就甚忧愁,一个一个的问他说:主,是我吗?
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
耶稣回答说:同我蘸手在盘子里的,就是他要卖我。
Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
人子必要去世,正如经上指著他所写的;但卖人子的人有祸了!那人不生在世上倒好。
Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
卖耶稣的犹大问他说:拉比,是我吗?耶稣说:你说的是。
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
他们吃的时候,耶稣拿起饼来,祝福,就擘开,递给门徒,说:你们拿著吃,这是我的身体;
Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
又拿起杯来,祝谢了,递给他们,说:你们都喝这个;
fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
因为这是我立约的血,为多人流出来,使罪得赦。
Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
但我告诉你们,从今以后,我不再喝这葡萄汁,直到我在我父的国里同你们喝新的那日子。
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
他们唱了诗,就出来往橄榄山去。
Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
那时,耶稣对他们说:今夜,你们为我的缘故都要跌倒。因为经上记著说:我要击打牧人,羊就分散了。
Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
但我复活以后,要在你们以先往加利利去。
Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
彼得说:众人虽然为你的缘故跌倒,我却永不跌倒。
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
耶稣说:我实在告诉你,今夜鸡叫以先,你要三次不认我。
Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
彼得说:我就是必须和你同死,也总不能不认你。众门徒都是这样说。
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
耶稣同门徒来到一个地方,名叫客西马尼,就对他们说:你们坐在这里,等我到那边去祷告。
Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
于是带著彼得和西庇太的两个儿子同去,就忧愁起来,极其难过,
Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
便对他们说:我心里甚是忧伤,几乎要死;你们在这里等候,和我一同儆醒。
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
他就稍往前走,俯伏在地,祷告说:我父啊,倘若可行,求你叫这杯离开我。然而,不要照我的意思,只要照你的意思。
Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
来到门徒那里,见他们睡著了,就对彼得说:怎么样?你们不能同我儆醒片时么?
Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
总要儆醒祷告,免得入了迷惑。你们心灵固然愿意,肉体却软弱了。
Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
第二次又去祷告说:我父啊,这杯若不能离开我,必要我喝,就愿你的意旨成全。
Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
又来,见他们睡著了,因为他们的眼睛困倦。
Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
耶稣又离开他们去了。第三次祷告,说的话还是与先前一样。
Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
于是来到门徒那里,对他们说:现在你们仍然睡觉安歇吧(吧:或作吗?)!时候到了,人子被卖在罪人手里了。
Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
起来!我们走吧。看哪,卖我的人近了。
Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
说话之间,那十二个门徒里的犹大来了,并有许多人带著刀棒,从祭司长和民间的长老那里与他同来。
Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
那卖耶稣的给了他们一个暗号,说:我与谁亲嘴,谁就是他。你们可以拿住他。
Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
犹大随即到耶稣跟前,说:请拉比安,就与他亲嘴。
Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.
耶稣对他说:朋友,你来要做的事,就做吧。于是那些人上前,下手拿住耶稣。
Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
有跟随耶稣的一个人伸手拔出刀来,将大祭司的仆人砍了一刀,削掉了他一个耳朵。
Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
耶稣对他说:收刀入鞘吧!凡动刀的,必死在刀下。
Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
你想,我不能求我父现在为我差遣十二营多天使来吗?
Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
若是这样,经上所说,事情必须如此的话怎么应验呢?
Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
当时,耶稣对众人说:你们带著刀棒出来拿我,如同拿强盗吗?我天天坐在殿里教训人,你们并没有拿我。
Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
但这一切的事成就了,为要应验先知书上的话。当下,门徒都离开他逃走了。
Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
拿耶稣的人把他带到大祭司该亚法那里去;文士和长老已经在那里聚会。
Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
彼得远远的跟著耶稣,直到大祭司的院子,进到里面,就和差役同坐,要看这事到底怎样。
Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
祭司长和全公会寻找假见证控告耶稣,要治死他。
fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
虽有好些人来作假见证,总得不著实据。末后有两个人前来,说:
Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
这个人曾说:我能拆毁 神的殿,三日内又建造起来。
Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
大祭司就站起来,对耶稣说:你什么都不回答么?这些人作见证告你的是什么呢?
Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
耶稣却不言语。大祭司对他说:我指著永生 神叫你起誓告诉我们,你是 神的儿子基督不是?
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
耶稣对他说:你说的是。然而,我告诉你们,后来你们要看见人子坐在那权能者的右边,驾著天上的云降临。
Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
大祭司就撕开衣服,说:他说了僭妄的话,我们何必再用见证人呢?这僭妄的话,现在你们都听见了。
Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
你们的意见如何?他们回答说:他是该死的。
Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
他们就吐唾沫在他脸上,用拳头打他;也有用手掌打他的,说:
ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
基督啊!你是先知,告诉我们打你的是谁?
Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.
彼得在外面院子里坐著,有一个使女前来,说:你素来也是同那加利利人耶稣一伙的。
Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
彼得在众人面前却不承认,说:我不知道你说的是什么!
Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
既出去,到了门口,又有一个使女看见他,就对那里的人说:这个人也是同拿撒勒人耶稣一伙的。
Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
彼得又不承认,并且起誓说:我不认得那个人。
Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
过了不多的时候,旁边站著的人前来,对彼得说:你真是他们一党的,你的口音把你露出来了。
Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
彼得就发咒起誓的说:我不认得那个人。立时,鸡就叫了。
Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
彼得想起耶稣所说的话:鸡叫以先,你要三次不认我。他就出去痛哭。